Tranga

Tratra nanao kolikoly : Kaomisera migadra 2 taona

Tratra ambodiomby nanao kolikoly ny kaomisera iray tao Mahanoro. Vola mitentina 3 tapitrisa Ariary no nampijabaka azy. Nomelohin’ny fitsarana migadra roa taona an-tranomaizina Voaheloka higadra 2 taona an-tranomaizina ny kaomisera iray, eo anivon’ny polisy ao Mahano­ro, taorian’ny niakarany teny anivon’ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly (PAC), ny 4 mey teo. Resaka […]

Mafy ny fifandonana : miaramila iray sy sivily roa naratra voatifitry ny dahalo

Miaramila miasa ao amin’ ny Bataillon du genie sy olon-tsotra roa indray naratra mafy vokatry ny fifandonana mahery vaika tamin’ny dahalo tao Antsahatapaka, kaominina am­banivohitr’i Mahajeby, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny zoma teo. Nanao fanarahan-dia andian-dahalo nangalatr’omby ireo miaramila mpa­mpandry tany niaraka tamin’ ny fokonolona mifanome ta­na­na amin’ny mpitandro filaminana. Raha ny […]

Olona 56 hita tao anatiny… : sambo tratra nanjono tao Seychelles

Manomboka ny fanadihadiana ireo Malagasy 56 tratra nanjono tsy ara-dalàna tao amin’ny fari-dranomasin’ny Nosy Seychelles. Sambo roa no tratran’ny sambo Say de Malha nanjono tsy ara-dalàna tao amin’ny fari-dranomasin’ny Nosy Seychelles, ny zoma teo. Nahatrarana dingadingana sy sira tao anatin’ireo sambo roa ireo. Araka ny fampitam-baovao nampitain’ny teo anivon’ny Tafika […]

Nandroba tranombarotra : dahalo 11 maty voatifitry ny zandary

Nifanojo tamin’ny zandary nanao fisafoana, lavon’ny bala ny dahalo 11, tao an-tampon-tananan’ Andimaky – Manambolo, Kominina io ihany, distrika Belo-Tsiribihina, ny faran’ny volana avrily teo. Nikasa handrava tranombarotra tao amin’io tanàna io ny dahalo 30 lahy, ny alin’ny 27 avrily. Nitondra fitaovam-piadiana, nampihorohoro ireo manodidina izy ireo. Nanapoaka basy avy […]