Niakatra fampanoavana , afakomaly, ny teratany karana mpivady voarohirohy ho nanao hosoka sy fanaovana hosoka ary tsy nandoa vidin-dranon’ny Jirama nandritra ny dimy taona. Nanofa trano tao amina trano iray eny Anosivavaka Ambohimanarina ity teratany karana ity, ny taona 2018 ary efa nisy ny fifanarahana vita amin’ny hahafahan’izy ireo manofa […]
Tranga
Ankoatra ny basy : tratra ny olona iray mpitahiry omby halatra
Tsy handefitra mihitsy! Dahalo iray mpitahiry sy mpandray omby halatra no tratran’ny zandary tao Ampanihy Andrefana, afakomaly. Nahitam-bokany ny fidinana ifotony nataon’ny zandary manao hetsika fampandriana fahalemana amin’iny faritra iny, tarihin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Ampanihy Andrefana, ny kapiteny Manantsoa Lanto. Tao amin’ny kaominina Beahitsy, distrikan’Ampanihy Andrefana no nanaovan’izy ireo hetsika manokana noho ity toerana […]
Natao tao anaty mofo… : lehilahy efatra tratra nitondra “cristal”
Karazana zava-mahadomelina mahery vaika hafa indray ! Lehilahy efatra indray nosamborin’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany voalohany (CSP1) Analakely teny Ambodifilao, afakomaly maraina. Voarohirohy noho ny fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika “cristal” izy ireo, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina manimba ny tanora eto an-drenivohitra, mandray ny andraikiny ireo […]
Rongony 1 014 fonosana indray tratra… : ravan’ny alika mpitsongodia ireo mpanao trafikana rongony
Sendra ny nahay azy! Ravan’ny alika mpitsongodia nampiasain’ny zandarimaria ireo tambajotra mpanao trafikana rongony tratran’ny zana-tobim-paritra Mandrosoa/Tobim-paritra Talatamaty, omaly. Araka ny fanazavan’ny chef de poste Mandrosoa, ny GPHC Ramanandafy Fils, nahazo loharanom-baovao izy ireo momba ny fisian’ireto olona mpanao trafikana rongony ireto eny amin’ny manodidina iny faritra iny. Nidina teny an-toerana ny […]
Sarin’ady “Ivondro 2023”: nifampizara fahaiza-manao ny Tafika Malagasy sy Frantsay
Vita soa aman-tsara ny sarin’ady “Ivondro 2023”, notanterahina tao Toamasina sy Nosy Boraha (Sainte-Marie). Nifarana , omaly, ny fifampizarana traikefa teo amin’ny miaramila malagasy sy frantsay. Nifarana , omaly , ny fanazaran-tena iraisam-pirenena “Ivondro 2023” notanterahin’ny Tafika Malagasy niaraka tamin’ny Tafika Frantsay, tao Toamasina sy Nosy Boraha. Arivo mahery ireo […]




