Nidoboka am-ponja vonjimaika ny faran’ny herinandro teo, ireo Telo lahy voasambotry ny zandary rehefa nitady mpividy zaza varira tao Ambohimandroso, ny 22 avrily teo. Nivezivezy tao Ambohimandroso ny roa lahy. Nitady mpanam-bola hividy varira izy ireto. Nampandre ny mpitandro filaminana ny tsara sitra-po. Nanao ny fanadihadiana rehetra ny zandary ka […]
Tranga
Namono vady : vehivavy maty novelesin-drangahy maritoa
Mampiteny ny moana ny fisian’ny tranga herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy ao Toamasina. Nodarohan’ny vadiny tamin’ ny «marteau» sy nolerany antsy ny renim-pianakaviana iray ka namoy ny ainy, tao amin’ny fokotany Ampangalanina, parisela 14/11, ny zoma teo. Nanan-janaka roa ilay ramatoa. Mbola tsy nifampiteraka izy sy io lehilahy […]
Mahitsy : 14 mianadahy nahatrarana “rôrô” 10 grama
Voasambotry ny zandary ireo 14 mianadahy mpivarotra rongony mahery vaika sy mpidoroka ao Mahitsy, ny 29 avrily teo. Nitondrana alika mpitsongo dia, noraisim-potsiny izy 14 mianadahy ireto, ny faran’ny herinandro teo. Naharay loharanom-baovao manoloana ny fisian’ny tambajotra mpivarotra sady midoroka héroïne na “rôrô” izy ireo. Nanao ny paikady rehetra, nidina […]
Ambodivoanjo: olona iray maty voatifitry ny jiolahy
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahavalo (CSP8), eny Analamahitsy, ny alahady misasakalina teo, teny Ambodivoanjo Ivandry, ny jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana nahafatesan’olona. Nahazo antso ny polisy fa misy andian-jiolahy manafika tokantrano iray eo Ambodivoanjo Ivandry tamin’io fotoana io. Jiolahy telo nirongo basy no nanafika tao amin’ilay tokantrano. […]
Andraharo : mpivady niara-matin’ny lozam-pifamoivoizana
Niforitra ny lohan’ ny fiara, maty vokatry ny dona mafy nahazo azy ireo mpivady tra-doza tetsy Andraharo, ny marainan’ny sabotsy teo. Maty teo noho eo ny renim-pianakaviana iray tao anaty fiara tra-doza tetsy Andraharo, ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 3 ora maraina. Avy any amin’ny lalan’Ambohimanarina izy mivady ireto no […]




