Noraisim-potsiny! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahadimy (CSP5), Mahamasina, ny ramatoa iray 50 taona, afakomaly tolakandro, noho ny halatra nataony. Maro ireo fitarainana voarain’ny polisy miasa eo anivon’ny CSP5 mahakasika ireo olon-dratsy manararaotra isaky ny tsenan’ Alakamisy, ao Mahamasina. Nametraka ny lamina sy ny paikady rehetra mba […]
Tranga
Mpivarotra sy mpitsindrona rongony : folo mianadahy indray voasambotry ny polisy
Miampy isa indray ireo voasambotra momban’ ny raharaha fitsindromana zava-mahadomelina mahery vaika izay efa miparitaka eto an-dRenivohitra. Olona folo voasambotry ny polisy avy eo anivon’ny sampana miady amin’ny zava-mahadomelina, omaly. Miparitaka manerana an’Antananarivo ireo midoroka sy mitsindrona io karazan-java-mahadomelina mahery vaika io. Ho an’ireo olona fito tra-tehaka ireto, nisy ireo voasambotra […]
Fandraikiraikena: tra-tehaka ireo roa lahy mpisoloky
Mpijoko voajoko ! Indray voasambotra ireo roa lahy mpanambaka olona amin’ny alalan’ny fanaovana fandraikiraikena, tao Andoharanofotsy, afakomaly. Noho ny fahatongavan’ny vehivavy iray nitonontena ho lasibatra ny asa fisolokian’ireo lehilahy ireo. Nandray ny harona plastika nentin’ireo mpisoloky ny zanan’io ramatoa io lahy ary tsy tompon’ny tenany intsony taorian’izany. Lasan’ireo mpisoloky mora foana ny finday. Tadidin’ilay lasibatra anefa […]
Ambalavao : vaviantitra namoy ny ainy tao anaty taksiborosy
Renim-pianakaviana iray 70 taona, namoy ny ainy tao anaty fiara taksiborosy nitondra azy, tao Ambalavao, afakomaly. Tsy nisy vola nitsaboana tena izy. Narary niala tany Mahajanga, namoy ny ainy tao anatin’ny fiara mpitatitra nitondra azy, tao Ambalalova, kaominina ambanivohitra Ambalavao, ny vaviantitra iray 70 taona, afakomaly maraina. Nikasa hihazo an’i […]
Botry rendrika : avotra ireo tantsambo 18 tao anatiny
Tafaverina soa aman-tsara an-tanety, omaly, ireo tantsambo 18 rendrika an-dranomasina tany amin’ny fari-dranomasin’i Seychelles, ny 25 avrily 2023. Sambo Seychelois Saya de Malha no nanavotra azy ireo ka nafindra tamin’ny patrouilleur côtier MALAKY. Rendrika an-dranomasina tany amin’iny faritra iny ny botry nitondra ireto tantsambo ireto ka navotan’ny sambo mpiambina ny […]




