Tranga

Nikasa hamono tena : navantan-drangahy tany amin’ny tamboho ny fiara

Adin’ny mpivady niafara tamin’ny fikasana hamono tena! Navatan-drangahy tany anaty tambohon’olona ny fiara noentiny, ny alahady alina lasa teo. Nentin’ny hatezerana, nirimorimo, ni­hevitra ny ho faty izy. Ki­nanjo, ny tanany no tapaka, simba ny fiara. Rava ihany koa ny fefin-tokontanin’olona nifatraran’ny fiara. Ni­ditra an-tsehatra tamin’ny fanarenana ny simba ny tomponandraikitra […]

Trafikana héroïne : fito lahy sady mpivarotra no mpitsindrona voasambotra

Tao anatin’ny roa andro monja,  fito lahy ireo mpitsindrona rongony mahery vaika « héroïne » saron’ny zandary tetsy Anosizato. Mpi­varotra io zava-mahadomelina anisan’ny manimba ny tanora io no voasambotra ny 1 mey teo. Naharay an­gom-baovao tamina tsara sitra-po ny mpitandro filaminana ka nanao ny fisamborana. Nahitana vovoka rôrô tao anaty fonosana tao amin’io […]

Ambatoroka: lehilahy tratra nangalatra vatokely efatra gony

Hafakely indray ity! Voa­sambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo teny Ambato­roka, ny alatsinainy teo, ny lehilahy iray tratra nangalatra vatokely efatra gony. Naha­zo antso ny polisy, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro tamin’io fotoana io, momba ny fisiana trangana halatra vato tao amina tokantrano iray. Tonga teny an-toerana ny polisy nanamarina izany ka […]

Fitsaram-bahoaka: jiolahy roa nikasa hanohitra, maty voadaroky ny fokonolona

Noraisim-potsiny! Matin’ny daroka nataon’ny fokonolona ireo dahalo roa lahy tao Ambohitsapana, anatin’ny kaominina Ambohiborona, distrikan’i Faratsiho, ny alahady 30 avrily teo. Nividy mofogasy 80 tao amin’io fokontany io, nampiahiahy ny manodidina ny fihetsiky ny lehilahy iray. Nifanaraka ny fokonolona ka nanara-dia io olona io. Niditra tany anaty vohitra ivelan’ny ta­nàna izy. Tsikaritr’ireo […]