Tranga

Analakely : ankizy 8 sarona nangarom-paosy

Nanararaotra ny fitangoronan’ny olona, noraisim-potsiny teo Analakely, ny tontakely valo lahy, ny harivan’ny alahady teo. Nandritra ny fampisehoana goavana teo amin’ny Araben’ ny Fahaleovantena, tomefy olona ny lalana. Niandry kendry tohina ireo mpijery fotsiny izy valo mirahalahy ireto ary nanao ny asa ratsiny. Tetsy an­kilany, ankoatra ny fifehezana ireo olona […]

Fitsaram-bahoaka : olona roa matin’ny tora-bato sy vely kibay

Tao anatin’ny alina iray, olona roa indray namoy ny ainy niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy iray voatondro ho nangalatra tao An­kirihiry ny iray tamin’ ireo maty nodarohan’ny fokonolona, ny alin’ny sabotsy 15 avrily teo tao Toamasina. Voa­sambotra, tsy nisy alaharo ny an’ireo manodidina fa nidaroka niampy […]

Antaninarenina : mirongatra ny fanendahana, tontakely roa voasambotra

Tratran’ny polisy, taorian’ny fifanenjehana teny Anta­ninarenina, omaly maraina, ny tontakely roa lahy malaza ratsy amin’ny harom-paosy. Polisy nanao fisafoana teny an-toerana no nanatonan’ny olona iray tratran’ny harom-paosy. Nilaza izy fa teo amin’ny zaridainan’Antaninarenina no nisy nangarona ny paosiny ka lasan’ireo olon-dratsy ny findainy sy ny kara-panondrony niaraka tamin’ny vola. Nohamafisiny […]

Ambovombe: tratra ireo malaso mpanafika sady mamono olona

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Androy, tao Ambondro, distrikan’Ambo­vombe, ny sabotsy teo, ireo dahalo fito voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha fanafihana narahina vono olona. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, anisan’ireo dahalo atidoha nikotrika ny famonoana an’i Manoanga tao Lamitihy, fokontany Ambon­dro, ireto dahalo ireto. Misy amin’izy ireo no […]