Tranga

Avaratr’Ankatso: mirongatra indray ny halatra moto

Nifanehatra tamin’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo teny Avaratra Ankatso, omaly, ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny halatra moto. Nahazo fitarainana sy fitoriana avy amin’ireo olona mipetraka eny amin’ny manodidina an’Avaratra Ankatso ny polisy, nampahafantatra ny fahaverezana moto iray. Nandeha ny fikarohana nataon’ny polisy momba izany […]

Tratran’ny vela-pandrika… : voasambotry ny polisy ireo andian-jiolahy mpanafika Cash point

Noraisim-potsiny! Tratran’ny vela-pandriky ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Alasora (CSP) Alasora ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana Cash point amin’iny faritra iny… Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ireto andian-jiolahy malaza ratsy amin’ny fa­nafihana mitam-piadiana ire­to. Voarohirohy ho tompon’ antoka tamina fanafihana tompona Cash point iray mi­petraka eny Mahitsy Alasora ry zalahy […]

Fitsaram-bahoaka: olona roa matin’ny tora-bato sy vely kibay

Tao anatin’ny alina iray, olona roa indray namoy ny ainy niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy iray voatondro ho nangalatra tao An­kirihiry ny iray tamin’ ireo maty nodarohan’ny fokonolona, ny alin’ny sabotsy 15 avrily teo tao Toamasina. Voa­sambotra, tsy nisy alaharo ny an’ireo manodidina fa nidaroka niampy […]

Ampangabe : vehivavy nitondra vola sandoka 2 800 000 Ar

Noraisim-potsiny! Saron’ ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ampan­gabe, tao amin’ny fokontany Soamanjaka, kaominina Am­pangabe, omaly, ny vehivavy nitondra vola sandoka 140 isa amin’ny ravim-bola 20 000 Ar, izay mitentina 2 800 000 Ar. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, saika nividianany entana tamin’ireo tantsaha mpamboly eny amin’ iny kaominina iny ireto vola […]

Fiara vaky kodiarana : mpianatra nanao « voyage d’étude » niharan-doza

Niharan-doza ny taksiborosy nitondra mpianatra avy amina oniversite tsy miankina iray eto an-dRenivohitra, teo amin’ny tetezana hidirana an’ Andranofasika, anatin’ny RN4, PK 451 +600, ny alin’ ny sabotsy 15 avrily teo. Vaky ny kodiaran’ny fiara rehefa nihodina ny fiolanana mihazo an’Antananarivo izy ireo. « Ni­tsefotra ny kodiarana hava­nana », hoy ny […]