Tranga

Antsirabe – RN7 : voamboana 14 nentina antsokosoko sarona

Saron’ny zandary nentina kamiao lehibe iray antsokosoko ny hazo sarobidy voamboana miisa 14, teo amin’ny Pk 176+200 , Vinaninkarena, Antsirabe, ny sabotsy 15 avrily teo. Nanararaotra ny andro maizina, nitondra ireto hazo sarobidy ireto ny kamiao lehibe izay mpitondra solika. Nafenin’ny mpamily tao anatin’ny kamiao ireo hazo. Efa nahazo loharanom-baovao […]

Fanafihana tetsy Ambohimanambola: namoy ny ainy ny tompon-trano, voaroba ny 1 tapitrisa Ar

Naratra mafy, namoy ny ainy, omaly maraina, ny iray tamin’ireo olona roa naratra voatafika tetsy Ambohimanambola, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo. Namoy ny ainy, omaly maraina, vokatry ny daroka nataon’ireo jiolahy ny raim-pianakaviana iray tompon-trano voatafika tao Ambohipeno ny alin’ny zoma teo. Tokantrano roa nifanao ambony ambany no indray […]

Hetsika « Tselatra » : lavo i Rostely, dahalo raindahiny

Rotiky ny balan’ny miaramila, avy ao amin’ny 3ème Compagnie d’infanterie Etro­troka, ny dahalo raindahiny atao hoe Rostely, tao amin’ny fokontany Ambohi­mi­rafy, kaominina Ambohi­man­droso, afakomaly. Ana­tin’ny hetsika « Tselatra » ataon’ny Tafika eo anivon’ireo fari-piarovana rehetra manerana ny Nosy ity nahalavoana an’i Rostely ity. Niampy ny isan’ny mpitandro filaminana naparitaka eny an-kianja. Manao […]

Nifandona tamin’ny kamiao : maty ny mpamilin’ilay 4X4

Raim-pianakaviana efa lehibe 84 taona maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tao Anta­nandava, kaominina Fara­lana, anatin’ny RN5a, oma­ly tamin’ny 2 ora sy sasany. Fiara tsy mataho-dalana avy any Antalaha nikasa hihazo an’i Sambava ity tra-doza ity. “Tsy salama ny mpamily io fiara tsy mataho-dalana io”, hoy ny zandary lehiben’ ny vondron-tobim-pileovana […]

Sinto-mahery : mpanga­latra dimy lahy voasambotra

Nanaovan’ny polisy paikady, indray voasambotra ireo efa-dahy mpangalatra kojakojan’ny fiara eny amin’iny faritr’i 67 ha « Ce­nam » iny, omaly. Mampi­taraina ny mponina ny fahaverezan’ny fitaovana anatin’ny fiara mipetraka eny an-toerana. Nanao fi­safoana teny an-toerana, tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be fokontany, Ante­tezana afovoany I, ny lehilahy iray. […]