Tranga

Avy nitifitra tompon-trano : dahalo iray maty voatifitry ny polisy

Tokantrano iray niharan’ny fanafihan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao Soahevana, fokontany Soafandry, kaominina ambanivohitr’Anjoma, distrikan’i Manandriana, afakomaly maraina. Nanohitra ireo mpanafika anefa ny tompon-trano ka norarafan’izy ireo ny tifitra variraraka, maty tsy tra-drano. Nitsoaka ireo dahalo ka tsy nahazo na inona na inona tao amin’ity trano notafihina ity. Nanao fanarahan-dia […]

Halatra omby : dahalo maty voatifitra

Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana ny dahalo iray anisan’ireo nandray anjara tamin’ny halatra omby tao Ambaiboho, fokontany Am­ba­to­mikatraka, kaominina Anjoman’Akona, afakomaly. Nangalatra omby miisa 12 tao amin’io tanàna io izy sy ny namany. Nanara-dia ny fokonolona ka maty voatifitr’ireo dahalo ny telo. Nanao fanadihadiana ny zandary. Lehilahy iray tsy lavitra ny tanàna […]

Marovoay : lehilahy nahatrarana rongony 2 gony

Noraisim-potsiny teo am-pidorohana rongony ny lehilahy iray anatin’ny tanàna Ma­roala, kaominina Antanima­saka, distrikan’i Marovoay, ny 11 avrily teo. Sendra nanao fisafoana ny zandary kinanjo nahita azy tsy nihafahafa ni­doroka zava-mahadomelina. Nosavaina, arak’izany, ny trano fonenan’io lehilahy io. Tratra tao ny rongony roa gony mahatratra 28 kg. Nen­tin’ny zandary nogiazana ireto […]

Andriamena – Betsiboka : lavon’ny bala i Bota, dahalo mpaka an-keriny

Maty voatifitry ny zandary i Bota Gène, dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao Andriamena, anatin’ny faritra Betsiboka, ny 9 avrily teo. Nandray anjara tamina tranga fakana an-keriny tsy latsaky ny telo ity dahalo ity. Anisan’izany ny tranga tao Manakana Vohimbohitra, ny septambra 2022. Naka ireo olona telo mianaka tamin’io fotoana […]

Vono olona: jiolahy raindahiny voatifitra

Namoahan’ny polisy filazana fikarohana, maty rotiky ny bala tetsy Ankazomanga ny jiolahy iray nitondra antsilava, afakomaly alina. Nam­pihorohoro olona maro eny amin’ny manodidina an’i 67 Ha sy Ankasina iny ity jiolahy ity. Tsy vitan’ny manendaka an-dalambe miaraka amin’ny fitaovam-piadiana toy ny zava-maranitra izy. Mamaky trano ary mamono ho faty ireo […]