Tranga

Ambatondrazaka: jiolahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Miseholany amin’ny faritra maro ny fitsaram-bahoaka. Ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma, jiolahy iray indray no notaperin’ny fokonolona ny ainy, tao Ambatondrazaka. Niharan’ny hatezeram-bahoaka, potiky ny tora-bato sy ny daroka nataon’ny fokonolona ny jiolahy iray tamin’ireo dimy nanafika tao Menaloha, kaominina Ambo­hitsilaozana, Amba­ton­drazaka, afakomaly. Di­my lahy ireo olon-dra­tsy no nanafika tokantranona […]

Talatamaty : 5 lahy tratra nangalatra moto

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty, omaly, ireo dimy voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra moto. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, nikasa hivarotra moto tsy misy taratasy teny amin’iny faritra Talata­maty iny ry zalahy. Efa nahazo angom-baovao mialoha anefa ny zandary ka nametraka ny paikady rehetra hahafahana […]

Nandriaka ny ra… : raim-pianakaviana maty voahitsaky ny kamiaobe nitondra vato

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray tao Antanandava-Toamasina, sampanana mivily mankany amin’ny Lycée faharoa, omaly. Raim-pianakaviana iray nandeha bisikileta nipoitra avy any amin’ny sampanan-dalana handray ny RN2 no maty voatrongin’ny kamiaobe mpitatitra fasika sy vato. Nandriaka eran’ny arabe ny ra, niforitra mihitsy ilay bi­sikileta nandehanany. Efa ao amin’ny fokontany 11/58 Ankirihiry ny […]

Fivadiham-pitokisana : mpifankatia nangalatra vola 20 tapitrisa Ar

Nalain’ny mpanampy an-trano an-tsokosoko ny fanalahidin’ny tranon’ny mpampiasa azy teo aloha, tetsy Soa­manandrariny, ary nangalariny ny vola 20 tapitrisa Ar ny alatsinain’ny Paska lasa teo. Nilaza hanambady ity tovovavy mpanampy ity ka niala tao amin’io trano niasany io ny janoary teo. Nentin’ny fahatokisana, tsy nanova ny fitoeran’ny fanalahidin’ny trano ireo […]

Fandriampahalemana : hamongotra ny asan-jiolahy ny hetsika « Tselatra »

Nosantarina ao amin’ireo ZDS dimy voasokajy ho faritra mena ny hetsika “Tselatra” ataon’ny Tafika, anatin’ny volana maromaro. Sorohana anatin’io fotoana io ny tranga tsy fandriampahalemana rehetra hahafahan’ny vahoaka mivelona am-pilaminana. Nanomboka roa herinandro, am-perinasa ary hamongotra ny jiolahy sy ireo manohintohina ny fandriampahalemana ny hetsika “Tselatra” ataon’ny eo anivon’ny Tafika, […]