Tranga

Raindahiny amin’ny famakian-trano : rotiky ny balan’ny zandary Razakabe

Nirefodrefotra indray ny basy tao Toamasina, omaly. Maty voatifitry ny zandary tao Ankirihiry Avaratra ny jiolahy iray, fantatra amin’ny anaram-bosotra hoe Razakabe. Ma­laza ratsy amin’ny fanendahana sy vaky trano amin’ny fampiasana zava-maranitra. Hatreto aloha, tsy fantatra mazava ny zavatra ampiasain’ity jiolahy maty voatifitra ity fa tena tsy mahare na inona […]

Raharaha halatra fitaovam-piadina: hita nisitrika tany anaty ala ireo basy nangalarina

Andro vitsy taorian’ny nangalarana ireo basy tao amin’ny fonjan’i Vavatenina. Omaly, tratra tany anaty ala sy tao amina trano fandraisam-bahiny tany Soanierana Ivongo ireo basy efatra. Sarona omaly avokoa ireo basy efatra very tao amin’ny fonjan’i Vavatenina ny alarobia teo. Hita tao anaty ala tao Soanierana Ivongo ireo Mas 36 […]

Ambatolampy : jiolahy dimy nidoboka am-ponja

Naiditra am-ponja ireo jiolahy anisan’ny mampihorohoro amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny kaominina Antakasina, Am­batolampy, ny 27 marsa teo. Nanao fanafihana tao amin’ny fokontany Ambololon­drano, nanaparitaka bala tsy nipoaka ity fikamban-jiolahy ity, ny 19 marsa lasa teo. Tsy nanana fitaovam-piadiana izy ireo saingy nampihorohoro ireo manodidina fotsiny iha­ny. “Milaza ho manana […]

Jly Ranjeva : nizara traikefa tamin’ny mpianatry ny Acmil

Tonga nitsidika sy nizara traikefa tao amin’ny Akade­mia Miaramila (Acmil) Antsi­ra­be, ny talata teo, ny Jly Ranjeva Marcel (efa misotro ronono). Nandray azy ny kaomandin’ny Acmil, ny Jly Pikulas Démosthène. Nisy fifampizarana nataony tamin’ireo mpianatra ho manamboninahitra. Notsindriny ma­nokana ny etika sy ny toe-tsaina maha manamboninahitra rehefa mivoaka ny sekoly. […]