Natolotra ny fampanoavana, ny alatsinainy teo, ny raharaha nahavoarohirohy mpandraharaha iray misahana fampidirana sy famoahana entana eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina “transitaire” sy ny namany iray hafa. Voasaringotra amina raharaha fandrahonana hamono tovovavy telo amin’ny alalan’ny tifitra variraraka izy ireo. Taorian’ny fanadihadiana teo anivon’ny fampanoavana, samy naiditra am-ponja izy roa lahy. […]
Tranga
Nanaparitaka vola sandoka : nidoboka am-ponja ilay tovolahy
Nanao petra-bola tao amina Cash point , tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny mpisoloky iray nampiasa vola sandoka 8 alina Ar tao Moraranokely, Kaominina Ankazomiriotra-Antsirabe, ny 19 marsa teo. Ny 2 febroary, nanao petra-bola tao amin’ny Cash point iray ao an-toerana io lehilahy io. Efa lasa anefa izy, tsikaritry ny mpandray vola fa […]
Ankadimbahoaka : mpitondra bisikileta maty voahitsaky ny kamiao
Namoa-doza ny kamiao iray nihazo ny fasan’ny karana, omaly. Lehilahy mpitondra bisikileta iray no maty tsy tra-drano rehefa nifatratra tao ambanin’ny kodiaran’ilay fiarabe. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy Ankadimbahoaka, teo anoloan’ny orinasa iray teny an-toerana, omaly. Maty tsy tra-drano voahitsaky ny kamiao tamin’izany ny lehilahy iray nitondra bisikileta. Kamiao lehibe iray […]
Ambatondrazaka : renim-pianakaviana voatifitra teo amin’ny feny
Naratra teo amin’ny feny ny renim-pianakaviana iray notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana tao amin’ny kaominina Ambohitsilaozana, distrikan’ Ambatondrazaka, ny alin’ny 28 marsa teo. Tamin’ny 11 ora alina, niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray . Nitady ny vola, nirefotra inefatra misesy ny basy. Raikitra ny fikarohana ireo olon-dratsy. Tsy hita popoka ireto farany. […]
Mananara Avaratra : jiolahy niharan’ny fitsaram-bahoaka
Niharan’ny fitsaram-bahoaka, naratra mafy ny lehilahy iray. Nahatraran’ny fokonolona entana halatra tao Analanjahana, fokontanin’ Androkaroka, kaominina Mananara, afakomaly maraina. Nangalatra tao amin’io fokontany io izy. Raikitra ny fanenjehana fokonolona ka tsy afa-bela ilay olon-dratsy. Lavo tamin’ny tany, raikitra ny fikasihan-tanana sy ny daroka. Nanampy trotraka ny hatezeran’ny fokonolona izay efa […]




