Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo zatovo miisa 20 voasaringotra tamina raharaha fampihorohoroana tao Toamasina, ny talata 28 marsa teo. Voasambotry ny mpitandro filaminana ny alakamisy 16 marsa, voalaza ho mitondra “bois rond” ary mampitahotra ireo sendra azy sy midaroka mihitsy ireto andian-jatovo ireto. Natolotra ny mpitsara mpanao fanadihadiana lalina sady […]
Tranga
Toamasina : 3 hetsy Ar ny hofan’ny basy ampiasain’ny jiolahy
Ny talata 28 marsa lasa teo tao Salazamay Atsimo Toamasina, ramatoa iray nitondra moto hanatitra ny zanany hianatra no nifanehatra tamin’ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana. Nijanona hividy zavatra tamina toeram-pivarotana iray no norahonan’ireo olon-dratsy ny basy mba hanome ilay moto sy ny finday any aminy. Voatery nampidina an-janany teo ambony moto […]
Fanafihana tsy tanteraka : jiolahy iray lavo, zandary iray naratra
Lavon’ny zandarimaria ny lehilahy iray isan’ireo saika hanafika tranon’olona teny Itaosy, ny talata teo. Nahery vaika ny fifandonana, zandary iray naratra voan’ny bala. Nandriaka ny ra teny Antampon’Itaosy, fokontany Itaosy, tsy lavitry ny sekoly iray eny an-toerana, ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Maty voatifitry ny zandary mpanao fisafoana ny […]
Fanendahana : efa-dahy nidoboka am-ponja ao Toamasina
Tsy mandry andro tsy mandry alina ny polisy avy ao amin’ny compagnie urbaine d’intervention, sampana iray eo anivon’ny commissariat central, eo ambany fibaikoan’ny kaomisera Rakotondrainivonona Panoël Tsiky. “Tsy maha olom-baovao ny fametrahana fandriampahalemana ho an’ny vahoaka”, hoy izy. Nahitam-bokany izany ezaka izany satria jiolahy efatra niaraka tamin’ny zava-maranitra sy entana […]
Raharaha famonoana an’Iarisy: « Izao vao tena hanomboka ny ady », hoy ny mpitandro filaminana
Taorian’ny nahafatesan’ilay dahalo raindahiny Iarisy tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, nandray fepetra avy hatrany ny mpitandro filaminana. “Hampiana ny isan’ny mpitandro filaminana any an-toerana hanamafy ny fandriampahalemana. Mbola mitohy ny asa”, hoy ny kapiteny Andriambeloniaina Toky, komandin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Centrale. Notohizany fa mbola karohina ireo mpiara-dia amin’Iarisy izay mirongo fitaovam-piadina mahery vaika […]




