Tranga

Fasana kaominaly Toamasina : novakin’ny jiolahy ny fiaran’ny mpandevina

Lasan’ny jiolahy ny vola sy ny entana lafo vidy tao anatin’ireo fiara tsy mataho-dalana an’ireo mpandevina tao amin’ny fasana kaominaly Anjoma Toamasina, ny zoma tolakandro teo. Nandritra ny fandevenana ny vatana mangatsiakan’ilay mpandraharaha mpanefoefo sady fanta-daza teo amin’ny sehatry ny politika, nandritra ny fitondran’ny amiraly Ratsiraka, no nitrangan’izany. Tonga marobe […]

Sambo rendrika: hita ilay vehivavy bevohoka nitsoaka

Hitan’ny mpitandro filaminana ilay vehivavy mitondra vohoka, anisan’ireo avotra tamin’ilay lozan-dranomasina ny sabotsy teo. Nitsoaka toy ireo namany hafa avotra tamin’ilay loza izy saingy hitan’ny mpitandro filaminana ny hopitaly nisy azy. Ankehitriny, hanokafana fa­motorana io vehivavy io sady manohy ny fitsaboana ihany koa. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, nahatratra 22 ireo […]

Moto nifandona tamina kamiao: Zazalahikely 3 taona sy ny mpitaiza azy naira-maty

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny lalam-pirenena fahaefatra lalan’ny atody, ny sabotsy teo. Ankizilahikely iray vao 3 taona sy ny lehilahy iray 40 taona mpitaiza azy no indray namoy ny ainy. Avy any Antanetibe Mahazaza ilay moto, nanao taingin-telo nisy an’ilay zaza. Kamiao iray avy aty Mahitsy, mifanohi-dalana aminy kosa ilay […]

RN7: fiara niala tany nihotsaka nifandona

Olona valo naratra vokatry ny fifandonan’ny fiara tsy mataho-dalana iray sy taksibrosy teo amin’ny lalam-pirenena faha-7, PK-254 + 050, ny sabotsy teo tamin’ny 7 maraina. Avy any Atsimo ity fiara 4×4 ity ka sendra tany nihotsaka tao anaty arabe. Niala io tany io ny mpamily kinanjo nifatratra tampoka tamin’ny taksibrosy […]