Tranga

Ambatondrazaka : Ben’ny Tanàna maty tao anaty trano fandraisam-bahiny

Maty tao anaty hotely fandriam-bahiny iray ao Am­ba­tondrazaka ny ben’ny Tanà­nan’ny kaominina Anororo, Andrianony, Vahiny Cyrille Damien François antsoina hoe Toutou Damien, disitrikan’ Amparafaravola. Omaly, to­kony ho tamin’ny 10 ora teo, niantso vonjy tamin’ireo mpi­asan’ny hotely ilay vehivavy niaraka taminy. Nilaza izy fa tsy nahatsiaro ity ben’ny Tanàna ity ka […]

Antetezanafovoany – 67ha : tratra ireo jiolahy mpanendaka, mpangalatra anaty fiara

Nahitam-bokany ny ezaka nataon’ny polisy tamin’ny fanenjehana ireo jiolahy mpanendaka sy mpangalatra anaty fiara eny Antetezanafovoany, Cenam 67 ha. Telo lahy indray tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny… Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisari­an’ny boriborintany fa­hefatra (CSP4) eny Isotry, teny akaikin’ny Cenam Ante­tezanafovoany, omaly tamin’ny 5 ora maraina, ireo jiolahy […]

Lasan’ny rano – Enina andro aty aoriana… : mitohy ny fikarohana ny G2C Randriamanantena Sedrick

Manao ny fomba rehetra ny zandarimariam-pirenena miaraka amin’ny fifanomezan-tanan’ny fokonolona, manohy ny fikarohana ny G2C Randrianantenaina Sedrick. Zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Ivohi­be izay lasan’ny ranotrambo ny fiaran’ny lehiben’ny distrika nitondra azy teo amin’ny ranon’i Menarahaky, fokontany sy kaominina Analavoka, distrikan’Ihosy, faritra Iho­rombe, ny 8 marsa 2023 ato­andro lasa teo. Miangavy an-tanan-droa […]

Fanodinkodinana zaza: teratany vahiny iray hadihadian’ny polisy

Nahoraka tao anatin’ny tambajotran-tserasera ny zava-nitranga tamina fiangonana iray etsy Andavamamba, afakomaly. Voatondro ho saika hangala-jaza tamin’izany ny lehilahy iray teratany pakistane. Niantso vonjimaika ny polisy anefa ny ray aman-drenin’ireo zaza ka voasambotra ilay teratany vahiny. Ankehi­triny, atao famotorana momba ny raharaha ny tenany ary hiakatra fampanoavana aorian’izay. Nianatra sekoly […]

Faritra Menabe : zandary iray maty voatifitry ny dahalo

Nitrangana fanafihan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika indray tao amin’ny fokontany Mitsinjo, kaominina ambanivohitr’i Befasy, distrikan’i Moron­dava, ny alahady maraina teo. Dahalo ma­romaro ireto nanafika ireto ka lasan’izy ireo ny omby tao amin’io fokontany io niaraka tamin’ny basin’olona iray. Tsy vitan’izay fa olona roa hafa koa voatifitra niaraka tamin’ilay zandary. Araka […]