Tranga

Nitazona entana halatra: jiolahy nidoboka am-ponja ao Ambalatavoahangy

Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy Toamasina, afakomaly, ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fitazonana entana halatra. Nahazo loharanom-baovao ny polisy, ny 10 marsa 2023 tolakandro, fa misy jiolahy roa mampiahiahy nandeha moto Jog nanitrika sy nametraka kitapo eo Ambodipont, Ankirihiry Toamasina. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny polisy […]

CUR Vontovorona: nidoboka am-ponja ilay nisandoka ho lietnà

Nofitahiny hatramin’ny fianakaviany, tra-tehaka ihany ny lehilahy iray nisandoka ho Lietnà, tetsy Vontovorona, ny herinandro lasa teo. Naiditra am-ponja vonjimaika ilay lehilahy nisandoka ho manamboninahitra an-taonany maro, afakomaly. Nanomboka ny taona 2013, nitonon-tena ho Lietnà teny amin’ny fokontany Antanety II, Vontovorona izy. Ny 9 marsa teo, nanakana fiara an’ny kolonely […]

Fifindra-monina : melohin’ny OIM ny fiondranana tsy ara-dalàna

Mitohy hatrany ny ezaky ny tomponandraikitra ny amin’ny fam­panarahan-dalàna sy fandavorarina ny fifindra-monina sy fivezivezena. Tsy ekeny ary toheriny, indrindra ny fikambanana iraisam-pirenena, ny tsy fanarahan-dalàna rehetra ao anatin’izany. “Efa hatramin’ny taona 2020 no nisian’ny fikasana hifindra monina ho any amin’ny Nosy Mayotte, avy aty Madagasi­kara. Misy no tafiditra antsokosoko […]

Tsy nety nampiady omby : lasa adala ilay lehilahy voadaroka teo amin’ny lohany

Niakatra fitsarana tao Ambatolampy ilay raharaha anenjehana ireo telo lahy tompon’antoka tamin’ny fandratrana lehilahy 38 taona tao Am­bohimandroso Gara, dis­trikan’Antanifotsy. Heloka anenjehana ireto telo lahy ireto ny ratra sy vono niniana natao. Noratrain’izy roa lahy ireto ny mpiara-miandry om­by aminy rehefa tsy nanaiky nampiady ny ombiny. Nila­tsaka ny didy avy […]

Antsirabe II : lehilahy mpamboly rongony voasambotra

Mamboly sady mivarotra rongony, tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray tao Bevidy, fokontany Ambatolahimarina, kaominina Ambohimiarivo, Antsirabe II, omaly. Malaza ratsy amin’io asa ataony io, nidina ifotony nitsirika io lehilahy voatondro io ny mpitandro filaminana. Tonga tao amin’ny trano fonenany, na­taon’ny zandary fanadihadiana izy. Nosavaina ny tokontany ka sarona tao […]