Noraisim-potsiny! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny poste de police Ilanivato teny Anosipatrana, afakomaly ny jiolahy iray voarohirohy ho namaky trano. Naharay antso avy amin’ny olona mipetraka eo Anosipatrana ny polisy ao Ilanivato milaza fa misy lehilahy iray miditra an-keriny amina trano iray eny an-toerana. Nidina avy hatrany teny an-toerana […]
Tranga
Fakana an-keriny : karohina i Mamy Tiana Landry
Manomboka fantatra ireo olona rehetra voatondro ho ati-dohan’ilay fakana an-keriny tao Ambohimanarivo, Morarano chrome. Ankehitriny, nivoaka ny didy fampisamborana an’i Mamy Tiana Landry Jacques. Fantatry ny maro hoe Landry ny lehilahy, ary karohin’ny mpitandro filaminana fatratra. Voatondro ho isan’ireo jiolahy naka takalon’aina telo izy. Mbola voasaringotra amina raharaha fikambanan-jiolahy sy […]
Navoaka ny entan’ilay vadintany… : mihoatra ny 100 tapitrisa Ar ny hofan-trano tsy voaloany
Niroso tamin’ny fanatanterahana ny didim-pitsarana ny vadintany, omaly, nanala ny vadintany nipetraka tamina villa iray eny Ambohibao, rehefa tsy nahaloa hofan-trano an-taona maro. Efa mihoatra ny 100 tapitrisa Ar ny hofan-trano tsy naloany… Tsy nandoa hofan-trano efa an-taona maro ity vadintany mipetraka eny amina villa iray eny Ambohibao ity. Voatery […]
Niteraka savorovoro… Kamiaobe nihitsoka teo amin’ny tetezan’Anosizato
Niteraka fitohanana nandritra ny ora maro ny fisiana kamiaobe iray tafahitsoka teo amin’ny tetezan’Anosizato Andrefana, omaly maraina. Tratran’ny olana teknika ilay fiarabe ka nitsivalana teo ambony tetezana. Tsy afa-nandeha ny fiara hafa na ny mizotra hihazo ny lalana mankany Ampitatafika na ireo handeha hiakatra aty an-drenivohitra. Nifanjevo tao anaty tetezana […]
fakana an-keriny : namoahana didy fikarohana i Fano
Nivoaka ny didy fampisamborana an’i Mahaleojaona Fanomezantsoa na koa i Fano. Lehilahy voatondro ho anisan’ireo mpaka an-keriny sy mitazona ireo takalonaina telo mianadahy tao Morarano Chrome. Ankehitriny, karohin’ny mpitandro filaminana fatratra ity lehilahy ity, noho izy voarohirohy tamin’iny asan-jiolahy iny. Ankoatra izay, mbola voasaringotra amina raharaha fikambanan-jiolahy sy fanodinkodinam-bola ary […]




