Tohivakana hatrany ny fisamborana ataon’ny polisy amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana niharo fahafatesana teratany karana iray tao Toamasina, ny 4 marsa 2023 teo. Tratra tao Tanambao Verrerie ny iray amin’ireo jiolahy anisan’ny namono ity teratany indianina ity. Fantatra araka ny fanangonam-baovao nataon’ny polisy fa mpanangom-baovao ho an’ireo jiolahy mialoha ny […]
Tranga
Nokarohina efa ela : lavon’ ny zandary Rabeny
Maty voatifitry ny zandarimaria avy ao Antsohihy, omaly, Rabeny ilay malaso nampitondra faisana ny mponina ao amin’ny kaominina Ankerika distrikan’Antsohihy. Nokarohina efa ho herintaona mahery ity olon-dratsy ka hita nihaodihaody tao amin’ny fokontany Antafiandakana izy. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny fokonolona. Raikitra ny fifanjevoana tokony ho tamin’ny 2 […]
Noho ny andro ratsy : lehiben’ny distrika lasan’ny rano
Niharan-doza tampoka, maty vokatry ny faharendrehan’ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy tao anaty rano ny lehiben’ny Distrika ao Ivohibe, omaly. Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny fiakaran’ny rano ny lehiben’ny Distrikan’Ivohibe, teo amin’ ny RN27, omaly. Tra-doza teo amin’ny tetezan’i Manarahiky, izay mirefy 600 m, 5 km miala […]
Fandrobana indroa nisesy : voaroba ny vola aman-tapitrisa maro
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana! Notafihan’ny dahalo efa-dahy nirongo basy ny tranona mpandraharaha iray tao Morafeno, distrika Soanierana Ivongo. Ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina, niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ireo olon-dratsy. Tsy vitan’ny nandrahona ny jiolahy fa nanapoaka basy ihany koa. Vokany, voatifitra teo amin’ny tongony ilay […]
Fenoarivo : mpangalatra jiro amin’ny arabe naiditra am-ponja
Taorian’ny nanolorana azy teny anivon’ny fampanoavana, nidoboka am-ponja vonjimaika ny mpangalatra jiro manazava ny arabe mihazo an’iny kaominina Fenoarivo iny, afakomaly. Nahatrarana gony iray ity lehilahy ity rehefa nifanena tamin’ny zandary nanao fisafoana eny an-toerana, ny zoma 3 marsa teo. Natao ny fisavana izany gony izany kinanjo jiro avokoa no […]




