Lavon’ny balan’ny polisin’ny FIP tao amin’ny cité Canada Toamasina, afakomaly hariva, ny jiolahy iray isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana namoizana ain’ olona tao an-toerana. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana nahafatesana teratany vahiny iray tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Niroso tamin’ny fanadihadiana sy ny angom-baovao avy hatrany ny polisy ka fantatra fa mihaodihaody […]
Tranga
Fitsaram-bahoaka : jiolahy voadaroka teo am-pibatana tele sy ordinatera
Saika namoy ny ainy! Tratran’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray namaky trano teny Ambohipo, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) izy noho ity vaky trano nataony ity. Nahazo antso ny polisin’ny CSP2 fa misy trangana vaky trano eny amin’iny faritra Ambohipo iny. […]
Fenoarivo Atsinanana : vola 6 tapitrisa Ar levon’ny afo
Nitrangana haintrano indray tao amin’ny fokontany Andranovola Fenoarivo Atsinanana, omaly atoandro. Trano lehibe dimy feno entam-barotra niaraka tamin’ ny jirofo ary tranohazo ireto hotohoton’ny afo ireto. Voalazan’ny tompon-trano iray fa lelavola 6 tapitrisa Ar no lasa lavenona tsy avotra intsony. Afo niainga tamin’ny afon-kitay nandrahoana sakafo tao an-dakozia no nitarika […]
Fitokonan’ny mpianatra : zandary roa naratra teny Vontovorona
Raikitra indray ny savorovoro niafara tamin’ny fifandonan’ny mpianatry ny ESPA Vontovorona sy ny mpitandro filaminana, omaly. Zandary roa naratra notifirin’ny mpianatra tamin’ny filesy… Maraina hatramin’ny tolakandro indray ny fihetsiketsehana nataon’ny mpianatr’i Vontovorona ESPA, omaly. Naratra vokatry ny tifitra filesy nataon’ireo mpanao fihetsiketsehana ny zandary roa anisan’ireo nandamina teny an-toerana. Naneho […]
Efa nokarohina hatry ny ela : roa lahy nangalatr’ omby voasambotra
Tra-tehaky ny fokonolona sy ny zandary tao Soavinarivo Sahanivotry, ny roa lahy nangalatr’omby ny alahady teo. Nangalarin’izy roa ireto tany Fandiorano, Miaranavaratra Fandriana, ny omby. Nisy nahatsikaritra ny fandalovan’izy roa lahy teo amin’ ny fokontany Soavinarivo. Nahita ny fihetsika hafahafa, nampandre avy hatrany ny zandary miasa ao an-toerana ny tsara-sitrapo. […]




