Tranga

Nahatrarana rongony 12 kg : ramatoa iray nidoboka am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika ny ramatoa iray nahatraran’ny mpitandro filami­nana rongony milanga 12 kg tao amin’ny fokontany Maha­tsara, anatin’ny kaominina renivohitra Antsiranana, afakomaly. Naharay antso tamina olona tsara sitrapo ny polisy fa misy renim-pianakaviana iray manaparitaka rongony ao amin’io fokontany io. Natao ny fanadihadiana. Niroso tamin’ny fisavana ny tranon’ ilay ramatoa […]

Sambava: «Pompiste» nangala-bola 6 tapitrisa Ar

Niteraka resa-be ao Sam­bava ny raharaha halatra na­taona mpiasana tobin-tsolika ao amin’ny fokontany Antani­fotsy I. “Afakomaly, niasa toy ny isan’andro io lehilahy io. Ny harivan’io, nandalo ireo mpaka vola. Nandritra izay, nangala-tsonia an’ireo tom­pon’andraikitra izy ka lasany avokoa ireo vola enina tapi­trisa Ar”, hoy ny fanazavan’ ilay mpitantana tobin-tsolika. Fantatra […]

Mandritsara : lehilahy nisoloky dimy tapitrisa Ar voasambotra

Nokarohin’ny mpitandro filaminana hatry ny ela, voasambotra ny faran’ny herinandro teo ny lehilahy iray avy any Soanieran’Ivongo, nisoloky vola mitentina 5 300 000 Ar tao Mandritsara. Mpiara-miasa ta­min’io lehilahy io ihany, ta­min’ny alalan’ny fividianana jirofo ity nambakainy ity. Nentiny nandositra anefa ny volabe. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Nataon’ny […]

Fitsaram-bahoaka : mpangalatr’omby matin’ny fokonolona

Niharan’ny hatezeram-bahoaka rehefa nikasa hanohitra, maty ny jiolahy iray voatondro ho nangalatr’omby tao Mahatsinjo, kaominina ambanivohitra Antanambao, distri­kan’Antsirabe II, ny alahady teo. Nitrangana halatr’omby tao amin’io fokontany io. Tsy hita popoka ny omby iray ka nanao fanarahan-dia ny fokonolona. Lohan’omby sisa hi­tan’izy ireo. Tsy lavitra teo amin’io toerana io, nisava […]