Noraisim-potsiny ! Tratran’ ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3), omaly, ny jiolahy mpanendaka sady mitondra antsy lava eny amin’ny faritra Ambatomitsangana Ankadifotsy. Tsy niandry ela ny polisy fa nandray andraikitra avy hatrany raha vao naheno ny fitarainana nataon’ireo mponina eny Ambatomitsangana Ankadifotsy momba ny fisian’ireo mpanendaka mitondra antsy […]
Tranga
Vono olona tao Toamasina : roa lahy natao sarika am-pandriana
Nalain’ny polisy vao maraina tao an-tranony ao Mangarivotra Atsimo, omaly ireo jiolahy tompon’ antoka tamina vonoan’olona nahafatesana lehilahy iray… Voasambotra ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia ireo roa lahy ahina ho tompon’antoka nanao tifitra variraraka ka nahafatesana lehilahy iray ny sabotsy 25 febroary teo, tao Mangarivotra Atsimo, Toamasina. Araka ny […]
Moto nifatratra tamin’ny kamiao : zandary sy miaramila namoy ny ainy
Mpitandro filaminana roa niara- namoy ny ainy tao Toamasina raha avy any Barikadimy, ny alatsinainy lasa teo. Nanao taingin-droa tamin’ny moto izy ireo ary nihazo ny lalana mahitsy Antanandava. Nahitana kalesa tsy misy jiro maro eny amin’ny arabe. Niala izany izy ireo ka nifatratra tamin’ ny fiara mpitatitra entana iray […]
Toamasina : tratra ny jiolahy mpanao fanafihana
Mbola mitohy ny fikarohana ataon’ny polisy ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ilay fanafihana tokantrano iray ao Toamasina an-tampon-tanàna. Jiolahy telo indray voasambotry ny polisy ny faran’ny herinandro teo nandritra ny fanafihana mitam-piadiana tao amina tokantrano iray. Lasan’ireo mpanafika ny entana sarobidy rehetra tao an-trano nandritra ity fanafihana ity. Na teo […]
Asan-jiolahy : fito lahy voasambotry ny polisy
Nanaovan’ny polisy vela-pandrika, noraisim-potsiny niaraka tamin’ny vilany nangalariny ny mpamaky trano telo lahy tao Mandritsara, ny faran’ny herinandro teo. Mitaraina matetika ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana. Tsy mifidy alaina ireo jiolahy fa entiny hatramin’ny vilany fandrahoana sakafo. Nanao paikady hanatrarana ireo tsy mataho-tody noho izany ny eo anivon’ny polisim-pirenena ao […]




