Habibiana mihoapampana ny nataona renim-pianakaviana iray sy ny vadiny nahavita nidaroka mafy ny zanany vavikely vao efa-taona monja. Naratra mafy ilay zaza, nalefa eny am-ponja vonjimaika kosa ny reniny sy rangahy vadiny. Miandry ny fotoam-pitsarana azy ao amin’ny fonjan’ Ambatolampy nanomboka ny alarobia teo ireo mpivady nikapoka sy nidaroka zazavavikely […]
Tranga
Andohatany Fianarantsoa: lehilahy hita faty tsy nisy taova intsony
Nahitana fatin-dehilahy tao amin’ny fokontany Mahaditra-Andohatany, faritra Matsiatra ambony, afakomaly. Tsy nisy hoditra, taova ary filahiana intsony ilay maty. Karan-doha sisa tavela teny aminy. Hatramin’izao, tsy mbola voafaritra mazava ny anton’ity tranga ity saingy anatin’ny famotorana tanteraka ny mpitandro filaminana. “Tena nisy ity tranga ity fa ny nahatonga azy no […]
Tsenan’Ankazobe : dahalo telo maty voatifitry ny miaramila
Nirefodrefotra indray ny basy nandritra ny fifandonana teo amin’ny dahalo sy ny miaramila ZDS Ikopa, tao Ankazobe, afakomaly. Maty rotiky ny bala ny dahalo telo lahy nandritra ny fifandonana. Araka ny fampitam-baovao voaray, nandritra ny fisafoana fanao mahazatra nataon’ireo miaramila no nahatrarana ireto dahalo ireto. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny […]
Nalefa eny Antanimora: roa lahy tratra saika hamaky trano
Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora omaly, ireo roa lahy voarohirohy ho nikasa hamaky trano. Tratran’ny polisy PPA3 Ilanivato izy roa lahy ireto niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana, ny talata maraina teny Ampefiloha. Nahatsikaritra azy roa lahy nitondra fitaovana toy ny antsy, hety lava sy barre à pince ny polisy. Somary […]
Ambatolampy: mpangalatra roa lahy sy ny reniny voasambotra
Lehilahy telo sy ramatoa iray indray voasambotra noho ny fisiana vaky trano tao Ambanimaso, kaominina Ambatolampy, ny atoandron’ny 26 febroary teo. Nandeha nivavaka ny tompontrano, nidiran’ny tovolahy roa ny tokantrano iray. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola nitentina 1 060 000 Ar. Niverina nody, akory ny hatairan’ireo tompontrano tsy nahita intsony ny volany. […]




