Hotanterahina ao amin’ny « Avenue de l’indépendance » ao Toamasina anio, ny fifamindram-pitantanana eo amin’ ny DSRP ny faritra Atsina-nana teo aloha sy ny mpisolo toerana. Marihina fa nitàna io andraikitra io teo aloha ilay jeneraly polisy voasaringotra tamin’ny raharaha rongony mahery vaika, tetsy By-pass, ny herinandro lasa teo. Tsy vitan’io, voatonontonona […]
Tranga
Fanafihana voasoroka : tratra ireo andian-jiolahy nikasa hamaky trano
Ravan’ny zandarimaria ao Ambatolampy ny fikambanan-jiolahy saika hanao fanafihana mitam-piadina tao an-toerana. Ny talata teo tokony ho tamin’ny 08ora alina, nahazo antso ny mpitandro filaminana fa misy olona mampiahiahy ao amin’ny fokontany Ambodiriana. Teo no ho eo ihany, nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zandary. Vokany, tratra teo am-panomanana ny […]
Niaraka nangala-bilany : mpivady voasambotry ny fokonolona
Hanomboka anio ny famotorona ireo mpivady niaraka tamin’ny zanany voasambotry ny fokonolona noho ny fangalarana tao amin’ny fokontany Ilanitra, Ampanenjanana, distrikan’ Ambositra. Namaky trano tao amin’io toerana io, nentin’ity raim-pianakaviana ity niaraka taminy ny zanany mbola trotroina sy ny vadiny. Nisy nahatsikaritra anefa io asa ratsin’izy mianakavy io. Raikitra ny […]
Nandeha nilalao: vatana mangatsiaka natsingevan’ny rano sisa nalain’ny havany
Hita faty tao anaty rano teny amin’ny karieran’Ambohimahitsy, ny alarobia hariva teo, i Christianah rehefa tsy hita popoka nanomboka ny alatsinainy teo. Nampivarahontsana. Natsingevan’ny rano afakomaly, teny amin’ ny karieran’Ambohimahitsy ilay zazavavikely enin-taona tsy hita hatramin’ny alatsinainy teo. « Tokony ho tamin’ny 03 ora tolakandro teo no nisy nahita izy, ary […]
Ihosy : kamiaobe tratra nitondra vato Lepidolite
Tratran’ny zandary tao Sahambano Ihosy, ny 29 janoary 2023 tamin’ny 8 ora maraina, ny kamiaobe iray nitondra vato tsy misy taratasy mazava. Nandritra ny fisavana nataon’ny zandary teo amin’ny sakana no nahatrarana ity kamiaobe niaraka tamin’ireto vato tsy ara-dalàna milanja enina taonina ireto. Karazam-bato antsoina hoe Lepidolite ireto tratra ireto, […]




