Renim-pianakaviana antsoina hoe i Pity Elicette, 39 taona, fantatra amin’ny solon’ anarana hoe Cette no namono nahafaty ny vadiny tao Ambalakondro, fokontany Vohitsara, kaominina ambanivohitr’Ampasimbe Onibe, distrikan’i Toamasina II. Voarohirohy tamin’ny famonoana ny vadiny izy, araka ny antontan-taratasin’ady laharana 06-Toa/21 ka nampidirana am-ponja vonjimaika azy ny 4 marsa 2020. Antontan-taratasin’ady […]
Tranga
Nanohitra zandary : jiolahy roa lahy maty voatifitra
Lavon’ny tifitry ny mpitandro filaminana ny roa lahy amin’ ireo mpangalatra omby tao amin’ny fokontany Antelopolo, kaominina Anahidrano, ny 13 novambra teo. Nandroba tao amin’io fokontany io, nentin’ireo olon-dratsy ny omby miisa dimy. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona ary niambina ny kizo ahina handosiran’ireo mpandroba ny zandarimaria ao amin’ny tobim-paritra […]
Fanafihana tsy tanteraka: dimy lahy naiditra am-ponja eny Antanimora
Dimy lahy mpidoroka sady mpivarotra rongony naiditra eny Antanimora, omaly. Nikasa hanao fanafihana ny telo lahy. Notanana vonjimaika ao amin’ny fonjan’Antanimora ny dimy lahy vokatry ny fivarotan-drongony mahery vaika eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Naharay fitarainana avy amin’ny tsara sitrapo ny polisim-pirenena fa misy andian-dehilahy midoroka sady mivarotra karazan-drongony “Skunk” […]
Lonilony : lehilahy voatondraka asidra
Notondrahan’ny tovolahy iray asidra ny zazavavy kely tokony ho 2 taona monina etsy Anosibe, afakomaly tokony ho tamin’ny 9 ora alina teo. Niditra tampoka tao an-tokantranon’ ireto olona ireto izy ary nanondraka asidra avy hatrany ilay zaza, mbola nofahanana sakafo. Niaro azy ny rain’ilay zaza ka nitobaka tany aminy avokoa […]
Atsimontsena-Antsirabe : tovolahy matin’ny herinaratra
Nanandranandran-doza, lehilahy 21 taona main’ny herinaratra ka namoy ny ainy tao Atsimontsena, kaominina Antsirabe Renivohitra, ny talata 12 novambra teo. Andalam-panamboarana ny trano iray tao amin’io fokontany io. Andian-tovolahy niakatra teny amboniny. Takatry ny tanana, araka izany, ny tariby mitondra herinaratra. Nanao kisarintsarina sangy hilalao ilay taribin-jiro tamin’ny namany anefa […]