Tsy mbola niverina teo anivon’ny fianakaviany Rabesandratana Laura. Vehivavy teratany malagasy, 31 taona mipetraka ao Frantsa. Tsy hita nanomboka ny 12 janoary teo izy. Toerana nahitana azy farany teny amin’ny manodidina an’i Rennes, tokony ho tamin’ny 06 ora hariva. Hatramin’izao, tsy nahazoana vaovao intsony ity vehivavy ity. Tamin’io fotoana io, […]
Tranga
Ambohimahasoa : trano nifatraran’ny kamiao tapaka hisatra
Tapaka hisatra, nifatratra tamina trano iray amoron’arabe ny kamiao lehibe iray tao Antalata, distrikan’ Ambohimahasoa, ny 15 janoary misasakalina. Avy any Ihosy, nikasa hihazo an’Antananarivo ity kamiao ity. Talohan’ny nialan’ny fiara tany an-toerana, nanamafy ny polisy ao Ambohimahasoa fa tontosa ara-dalàna ny fitsirihana fiara ary tsy nisy olana. Vao velona […]
Nanao amboletra: zaza 12 taona nalain’ ny jiolahy an-keriny
Nirongo basy, niditra an-keriny tao amina tokantrano tao Ambodirano distrikan’ Amparafaravola ny alin’ny 14 janoary misasakalina. Niala ny hidim-baravarana, noraofin’ireto jiolahy ireto ny finday. Norongoin’izy ireo nanaraka azy ny zanaky ny tompon-trano. Vokany, nataon’ireo olon-dratsy takalon’aina io zaza io. Tetsy ankilany, tafaporitsaka nivoaka ny trano ireo ray aman-drenin’io zaza io. […]
Toamasina: jiolahy enina lavo tao anatin’ny 2 andro
Jiolahy enina sahady no efa lavon’ny balan’ny polisin’ny Fip tao Toamasina tao anatin’ny roa andro. Roa ny zoma alina hifoha asabotsy ary efatra ny alahady teo. “Mbola misy karohina fatratra ka miangavy izahay mba hilavo lefona manantona ny mpitandro filaminana”, hoy ny kaomandin’ny polisin’ny Fip, ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Tsy […]
Nampiahiahy… : Ankizy tsy ampy taona tratra nitazona basy
Tratran’ny polisy tao Ihosy Andrefantsena, afakomaly noho ny fihazonana basy vita gasy ireo roa lahy (tsy ampy taona ny iray). Toy ny fanaon’ny polisin’Ihosy, manatanteraka fisafoana mahazatra izy ireo ka tamin’izany no nahatsikaritra ireo olon-dratsy ireo. Teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy no nahasamborana azy ireo, raha ny tatitra nampitain’ny polisy. Somary […]




