Maty vokatry ny fanarahan-dia natao tamina dahalo mpangalatr’omby , ny olon-tsotra iray tao Ambodihady, fokontany Ambodiamontana, kaominina Ambovombe centre, distrika Manandriana, ny 14 janoary teo. Tamin’ny 11 ora alina, raikitra ny savorovoro teo amin’ny dahalo sy ny fokonolona rehefa lasan’ireo olon-dratsy ny omby valo. Nitondra fitaovam-piadiana ireo dahalo maherin’ny folo. Vokany, […]
Tranga
Ambohidratrimo : zazavavikely fito taona natsingevan’ny rano
Tranga mampalahelo. Ankizivavikely iray sahabo ho eo amin’ny fito taona eo no hita faty natsingevan’ny ranon’i Sisaony teo amoron’ny fefiloha ao amin’ny fokontany Ampefiloha, kaominina Fiadanana, distrikan’Ambohidratrimo. Omaly tokony ho tamin’ny 08 ora maraina, tsikaritr’ireo fokonolona teny amin’ny manodidina ilay ankizivavikely efa tsy nisy aina intsony. Navoaka vonjimaika izy, nampandrenesina […]
Ankadimbahoaka : mirongatra ny fanendahana
Nosamborin’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy (CSP5) Mahamasina teny Ankadimbahoaka ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny fanendahana. Fantatra fa isan’ireo toerana malaza ratsy amin’ny fanendahana iny faritra Ankadimbahoaka sy ny manodidina hatrany amin’ny fasan’ny Karana iny. Manoloana izany, nametraka paikady ny polisin’ny CSP5 tamin’ny alalan’ny fametrahana polisy manao […]
Ambatomena-Fianarantsoa: lasan’ny jiolahy ny zava-maneno tao am-piangonana
Efa mihanika hatrany anaty tranom-piangonana ireo mpangalatra ao Fianarantsoa. Lasan’ny olon-dratsy ny zava-maneno tao amin’ny Ekar Ambatomena Fianarantsoa, ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady 15 janoary teo. Nilatsaka avy any amin’ny tafo ireo mpangalatra. Tsy nihetsika arak’izany ny varavaran’ny fiangonana ka tsy naha rototra ireo manodidina. Rehefa hanatrika lamesa maraina […]
Trano nilatsaham-potaka : efatra mianadahy namoy ny ainy
Nilatsaham-baratra ka nahafatesana olona telo tao amina tokantrano iray ao Ampandrambe, fokontany Ambararatasarotra, distrikan’ Ambatofinandrahana, ny 12 janoary teo. Tamin’ny 02 ora sy sasany tolakandro, samy tao an-trano ireto fianakaviana ireto. Nipoaka tampoka ny varatra. Efa tafiditra tao an-trano anefa izany ka nirehitra ny tafo. May nandritra io ny lehilahy […]




