Namoy ny ainy ny tovolahy iray vokatry ny herinaratra tamina tariby matanjaka nofaohan’ny kamiao nandalo tao Anketro/Ambalakatsaka, distrikan’Ambatofinandrahana, omaly mitataovovonana. Tsy nanampo na inona na inona, sendra nandalo tamin’ny arabe ity tovolahy ity. Voafaokan’ny kamiaobe iray tampoka anefa ny tariby mitondra herinaratra. Nandray io tariby io ity tovolahy ity ka […]
Tranga
Hasarotam-piaro : nodarohin-drangahy ramatoa vadiny
Voatazona am-ponja vonjimaika ao Miandrivazo ilay lehilahy voatondro nandratra an-dramatoa vadiny. Nifamaly tokoa izy mivady ny 23 desambra lasa teo tokony ho tamin’ny 08 ora alina. Araka izany, nofitahin’ity lehilahy ity ilay vehivavy mba handeha hanatitra azy handro. Nofirainy tamin’ny antsibe avy hatrany nefa ilay ramatoa ka tsy nananany antra […]
Raharaha Hianja, ilay tovovavy 15 taona maty : naiditra am-ponja ilay mpampiasa azy
Miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja ilay rangahy nampiantrano an’i Hianja, ilay tovovavy 15 taona maty, andro vitsy lasa izay. Nalefa am-ponja vonjimaika ihany koa ny mpamily taksiborosy tsy nanana taratasy mazava nitondrana ny razana. Hotsaraina ny alarobia 25 janoary izao ny raharaha momban’i Hianja, ilay tovovavy 15 taona maty […]
Toamasina : miparitaka ny basy, afenina ny valanaretina
Tao anatin’ny folo andro nanombohan’ny taona, nitrangana vonoan’olona roa sahady tao amin’ ny tanànan’i Toamasina. Misy amin’ireo olona sasany maty an-drano sy vokatry ny fisotroan-toaka… Hatramin’ny fiatombohan’ny taona, olona roa maty nisy namono tao Toamasina. Tovovavy hita faty tao Ambalamanasy ny iray tamin’izy ireo. Nilaza hitory noho io nahafaty ny […]
Saika hivarotra basy : olona dimy naiditra am-ponja
Nidoboka am-ponja ireo telo mirahalahy mianaka sy ny vehivavy roa tra-tehaky ny polisy tao Arivonimamo ny 6 janoary teo. Nikasa hivarotra basy, nanaovan’ny mpitandro filaminana vela-pandrika ireto olon-dratsy ireto. Ny alakamisy 5 janoary teo, nanao hetsika hisorohana ny tsy fandriam-pahelemana ny kaomisaria ao an-toerana. Naharay antso avy tamina tsara sitrapo […]




