Tratran’ny zandary tao Vohitsoa Belambo Ambalamanasy, ny alatsinainy 9 janoary lasa teo i Doris, namono nahafaty ny vadiny tamin’ny fomba feno habibiana noho ny hasarotam-piaro. Maty novonoin’i Doris i Marie Violette, 21 taona vadiny noho ny hasarotam-piaro diso tafahoatra. Nanampy azy tamin’ ny fandevenana an-tsokosoko teo an-tokotany kosa ny tovolahy […]
Tranga
Kaominin’i Bemanonga : dahalo efa-dahy voasambotra
Nahare fisiana andian-dahalo mikononkonona hanafika, tra-tehaky ny polisy ny efa-dahy malaza ratsy amin’ny fanafihana sy ny halatr’omby tao amin’ny fokontanin’Androvabe Soatanana, Andramoteraka, kaominina ambanivohitr’i Bemanonga, ny alarobia teo. Andro vitsy taorian’ny fampihorohoroana nataona dahalo tao amin’io tanàna io, nanao fitsirihana ny mpitandro filaminana. Fantatra tamin’izany fa misy ny fikasana andian-jiolahy […]
Vaky trano : olon-dehibe efatra voasambotry ny zandary
Voasambotry ny zandary ireo olon-dehibe efatra mianadahy tratra namaky trano tao Behenjy afak’omaly. Nisy nanafika ny tokantrano iray ao Anjanamasoandro ambony, fokontany Antanetibe, kaominina Behenjy tamin’io andro io. Lasan’ny jiolahy tamin’ izany, ny vilany, ny biby fiompy ary kojakoja maro samihafa tao an-trano. Nahavoaray antso avy tamin’ny olon-tsotra ny zandarimariam-pirenena […]
Ankadimbahoaka : tovolahy tratra saika hangalatra fiara
Tsy tontosa ny teti-dratsin’ilay tovolahy saika hangalatra fiara iray tetsy Ankadimbahoaka. Ny alarobia tokony ho tamin’ny 09 ora alina teo, nandray fiarakaretsaka teny By-pass haterina eny Namontana ilay jiolahy. Teny an-dalana, nilaza ho eny amin’ny Fasan’ny karana izy. Rehefa izay, nilaza ho aterina eny Anosizato indray noho izy tsy nisy […]
Mahamasina : vehivavy tratra nanao sinto-mahery
Tsy ampoizina intsony ireo heverina ho olon-dratsy! Sarona nanao sinto-mahery ny vehivavy iray vao 18 taona, tetsy amin’ny tsenan’i Mahamasina omaly. Nandritra ny fisisifan’ny mpandeha an-tongotra, nanararoatra ity tovovavy ity. Tsikaritry ny polisy manao fanamiana sivily iray teny an-toerana anefa ny fihetsik’io tontakely io. Narahiny akaiky arak’izany ity farany. Poa […]




