Tranga

Ankatso : tovovavy mpianatra tsy hita popoka

Nisy nitondra ka tsy mbola niverina any an-tranony eny Ankatso I i Mirantsoa, mpianatry ny Oniversiten’Antananarivo rehefa nandeha nianatra ny alatsinainy teo. Manao antso avo amin’ny rehetra ny havany. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola nahazoam-baovao ny mombamomban-dRa­harimalala Mirantsoa Eliane. Ilay tovovavy 24 taona mpianatra eny amin’ny Oni­versiten’Antananarivo. Tsy mbola […]

Fakana an-keriny : tratra ireo jiolahy nitaky 200 tapitrisa Ar

Noraisim-potsiny! Voa­sambo­try ny polisy teny Ma­hazo sy Ambositra ireo jiolahy voarohirohy ho tompon’ antoka tamin’ny famonoana tovolahy iray 20 taona tany Anosibe An’ala. Naharay fitarainana avy amina fianakaviana iray mipetraka any Ambo­sitra ny eo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) Anosy fa naharay “sms” mitaky vola 200 tapitrisa Ar […]

Nambanana basy : voaroba ny moto sy ny antontan-taratasin’i Pasitera

Miseo lany ary tsy mifidy olona hanaovan-dratsy intsony ireo jiolahy ao amin’ny fa­ritry Toamasina. Mpitandrina sady lehiben’ny fikambanan’ny fiangonana ao an-toerana indray no lasibatra ny alarobia 4 janoary teo. Hijery ny fiarany nampanamboarina, nandrasan’ny jio­lahy mitam-piadiana teo amin’ny toerana mangingina ny pasitera, filohan’ny sinodam-paritany iray ao Toa­masina ny alarobia teo […]