Tranga

Arivonimamo : Lavo ireo jiolahy raindahiny roa lahy

Ravan’ny zandary ny jiolahy raindahiny roa lahy, malaza amin’ny fanafihana mi­tam-basy sy fitaovana maranitra ao amin’ny kaominina ambonivohitra Imeritsiatosika, oma­ly. Lavon’ny balan’ireo mpitandro filaminana nandritra ny fifanenjehana sy fifampitifirana teo amin’ny roa tonta izy ireo. Hita nandritra izany koa ireo basy vita gasy sy rongony nampiasain’izy ireo rehefa manafika. Voasambotra […]

Fandehanana mafy tamin’ny moto: Namoy ny ainy ilay miaramila tra-doza teny Anosiala

Niady tamin’ny fahafatesana nandritra ny alin’ny talata 28 hifoha omaly alarobia, namoy ny ainy omaly, ilay miaramila tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra teo Anosiala. Voadona mafy tamin’ny faritry ny lohany. Tsy tana, omaly, ny ain’ilay tafika kilasy faharoa niharan-doza tamin’ny moto teny amin’ ny RN4, PK28+250, fokontany Ankazo, kaominina Ano­­si­ala. […]

Antehiroka: Lehilahy hita faty tao anaty dobo filomanosana

Namoy ny ainy tao anatin’ny dobo filomanosana anatin’ny tokotanin’ny olon-tsotra ny lehilahy iray tao Anta­ne­tibe, kaominina Antehiroka, distrika Ambohidratrimo, ny 27 janoary teo. Nahatazana olona nihaodihaody tao amin’ ny tanànany ny tompon-trano ny alin’io andro io, tamin’ny 7 ora sy 40 minitra. Tsy nanao akanjo, nivezivezy teo amin’ny faritry ny […]

Ambalamanasy : Andian-jiolahy ravan’ny zandary

Ravan’ny zandary ny alin’ny 24 janoary hifoha ny 25 janoary lasa teo, tany Ambalamanasy ny tambajotrana jio­lahy mpamaky trano sy mpanendaka tany an-toerana. Voasambotra vokatr’izany, ny 11 mianadahy. Tsy ampy taona ny enina tamin’izy ireo, vehivavy kosa ny dimy hafa. Nanao fanarahan-dia tovolahy iray mampiahiahy ny eo anivon’ny mpitandro filaminana. […]