Nokarohina roa andro vao hita ny iray tamin’ireo mpandeha lakana nivadika tao Antanisoa, fokontany Befeno, kaominina Fenoambany, distrikan’i Vangaindrano, ny alahady teo. Olona efatra izy ireo ny tao anaty lakana ka vehivavy ny iray. Nanonja mafy anefa ny rano ka nitsimbadika tampoka ity fitaovam-pitaterana ity. Rendrika tao anaty rano ireto […]
Tranga
Polisy sandoka: voasambotra niaraka tamina fanamiana marobe
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray nisandoka ho polisy tao amin’ ny tanànan’Ambilobe, omaly. Mpitondra bajaj teo aloha, nisandoka andraikitra tamin’ny alalan’ny fanaovana ireny fanamiana polisy ireny ny lehilahy. Hananany avokoa ny satroka, ny akanjo sy ny sisa … Avy any Sambava izy ary niaiky fa mpitondra bajaj tokoa ny […]
Anosibe: tratra ilay nandroba tao anaty taxi-be
Avy naka an-keriny ny zavatra teny an-tanan’ny mpandeha taxi-be iray, saron’ny polisy nanao fanamiana sivily ny tovolahy mpanendaka iray tetsy Anosibe, omaly maraina. Nikasa hanao ny asa ratsiny toy ny mahazatra rehefa anaty fitohanana, nitilitily ireo mpandeha anaty fiara ity tontakely ity. Tamin’izany, ramatoa iray tao anaty taxi-be no lasibatra. […]
Fiara nivadika: zaza valo volana maratra, maty ny reniny
Namoy ny ainy teny amin’ny HJRA ilay vehivavy 31 taona niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Ambodisaha Ambatomirahavavy, ny alahady teo. Mbola tazomina eny amin’ny sampana vonjy aina kosa ny zanany vao valo volana. Tranga mampalahelo. Renim-pianakaviana iray namoy ny ainy noho ny fivadihan’ny fiara nitondra azy teny Ambodisaha Ambtomirahavavy, ny alahady hariva […]
Ela nitoratorahana: voatifitry ny zandary i Ndrianary, mpimasy
Nirefodrefotra ny basy, ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ ny 03 ora maraina tao Anjiamangirana II, distrikan’Antsohihy. Maty voatifitry ny zandary ao an-toerana i Ndrianary, mpimasy sady dahalo mpamerin-keloka. Isan’ireo anaran’olon-dratsy atao hazalambo ao amin’ny distrikan’ Antsohihy izy ity. Efa nifampitadiavana tao anatin’ny telo volana sy 21 andro izy ka […]




