Mitrandraka sady mamoaka volamena an-tsokosoko, sarona niaraka tamina volamena tsy ara-dalàna ny teratany sinoa efatra tao Marovahy, Mananjary, afakomaly. Noho ny fahafantarana fisiana teratany nitondra volamena teny amin’ny lalam-pirenena, nanao fisavana ny teo anivon’ny mpitandro filaminana. Nanao vela-pandrika, sarona tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana marika Nissan ireo Sinoa efatra mianadahy […]
Tranga
Kianja mainty Manarintsoa: saron’ny polisy ny mpivarotra rongony iray
Tra-tehaky ny polisy vao maraina, omaly, ny rangahy lehibe iray nivarotra rongony teny amin’ny kianja mainty Manarintsoa. Olona teny amin’ny manodidina no nampandre ireo polisy mpanao fisafoana. Fantatra fa teny akaiky ny Vorodamba ity lehilahy ity no manao ity asa ratsiny ka dia voasambotra. Mbola nahitana fonosana rongony 60 isa […]
Vehivavy nody alina: niharan’ny fanolanana faobe
Vehivavy iray tratra alina no niharan’ny fanolanana faobe, afakomaly, tao Ambatomanga, faritra Amoron’i Mania. Ankehitriny, efa voasambotra ny roa lahy tamin’ireo voalaza ho nahavanon-doza. Tranga mampalahelo. Vehivavy iray manodidina ny 30 taona, niharan’ny fanolana faobe, afakomaly tokony ho tamin’ ny 11 ora alina tao Ambodimanga, andrefan’ny tetezana Amboay Ambositra. Nifanena […]
Kaominina Mananjara: efa-dahy tratra teo am-pandroahan’omby
Tafiditra anatin’ny hetsika ataon’ny zandary ny mandrava tambajotrana mpangalatr’omby eto amin’ny Nosy. Nisy, araka izany, voasambotr’ireo zandary miasa ao amin’ny distrikan’i Mahitsy. Ny 12 novambra teo, nisy namoaka ireo omby telo tao am-pisoko tao amin’ny fokontany Ankeniheny Alarobia, kaominina Mananjara. Natao ny vela-pandrika. Natomboka ny fanarahan-dia sy ny angom-baovao rehetra. […]
Varotra rongony: mpamatsy mpianatra tra-tehaky ny polisy
Voasambotra taorian’ny vela-pandriky ny polisy ilay lehilahy isan’ireo mpivarotra rongony amin’ny mpianatra eto an-drenivohitra. Tratra, afakomaly tolakandro, teny Ambohijatovo izy rehefa nahazoana fitarainana maro samihafa. “Isan’ireo mpamatsy rongony amin’ireo mpianatra manodidina ny sekoly eny Amparibe, Mahamasina sy Ampefiloha sy ny manodidina ity lehilahy ity”, hoy ny polisim-pirenena. Vokany, mitaraina mafy […]




