Tranga

Fisafoan’ny zandary: jiolahy nahatrarana fitaovam-piadiana

Namoy ny ainy teny an-dalana hanoro ireo namany, maty voatifitra rehefa nikasa hitsoaka ny jiolahy iray tao amin’ny fokontany Sarilasy, kaominina Ambidirina, distrikan’ i Vondrozo, ny faran’ny herinandro teo. Voasambotra nandritra ny fisafoana amin’ny alina nataon’ny mpitandro filaminana, ny 24 novambra, notanana natao fanadihadiana ity jiolahy ity. Rehefa nosavaina ny […]

Lozam-pifamoivoizana: olona dimy naratra, zazakely valo volana ny iray

Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray tamin’ny lalam-pirenena fahafito, tao Amindrasahona, kaominina ambanivohitr’i Talata Am­pano, omaly hariva. Latsaka tao amin’ny tetezan’i Beran­gitsa izy rehefa nihazo an’ny Fiana­rantsoa. Raha ny fantatra, vaky ny kodiarana havanana alohan’ny fiara ka nitarika ny loza. Vokany, olona dimy naratra nahitana zazakely valo volana iray. Efa noentina any hopitaly […]

Fifampitifirana: jiolahy 10 voasambotra, telo matin’ny polisy

Nahitam-bokany ny ezaka nataon’ny polisim-pirenena ao Mahajanga manoloana ny ady amin’ny asan-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana mahery vaika. Jiolahy telo maty voatifitra raha azo sambo-belona ny naman’izy ireo. Mpangalatra 10 mianadahy voasambotry ny polisy tao Maha­janga, ny asabotsy teo. Miisa telo kosa maty voatifitry ny mpitandro filaminana nandritra ny fifandonan’ny roa […]

Lasa ny vidin’entana: mpivaro-mandeha voatifitry ny jiolahy

`Naratra mafy vokatry ny tifitra nataon’ny jiolahy azy ny mpivaro-mandeha iray tao amin’ ny fokontany Anivorano, kaominina ambanivohitra Za­fin­dra­fady, distrikan’i Vohi­peno ny 01 desambra teo. Teny an-dalana, narahin’ireo olon-dratsy ity raim-pianakaviana ity. Noro­bainy tamin’izany ny vola. Tsy vitan’io, nikasa hiaro tena ilay mpivarotra ka notifirin’ireo jiolahy. Voa tamin’izany, ny felatanany […]

Mpangalatra finday: nilaza ho nirahin’ny kalanoro

Saika niala hatramin’ny mahalehilahy! Niditra tao amina tsena iray tao Amba­tondrazaka renivohitra ny mpangalatra iray, omaly tolakandro. Somary variana ny tompon-tsena ka nofaohin’ity lehilahy ity ny finday raitra niranty. Tsikaritry ny olona anefa ny fivoahan’ity olon-dratsy ity. Nitondra ny finday raitra, nifanotofan’ny daroka nataon’ireo olona manodidina izy. Nentin’ny hateze­rana, efa […]