Niloa-bava ny farany, niantso ny tomponandraikitra sy ireo mponina ao Toamasina hifarimbona amin’ny ady amin’ny asan-dahalo ny fikambanan’ny mpanao gazety ao an-toerana (AJT), ny faran’ny herinandro teo. Nandritra ny taona 2022, mpanao gazety fito no indray lasibatry ny jiolahy tamin’ny fomba samihafa. Nisy ireo mpanao gazety very fitaovam-piasana sy orinasan-tserasera […]
Tranga
Naiditra am-ponja: tovolahy nanolana zazavavikely efatra
Samy notanana am-ponja vonjimaika taorian’ny fiakarany fampanoavana ireo roa lahy voasaringotra tamina raharaha fanolanana ankizy tsy ampy taona tao Toamasina, ny zoma lasa teo. Raim-pianakaviana iray mpiasan’ ny kaominina ambanivohitra iray ao an-toerana no voatondro ho nanolana ny zana-badiny. Niala sasatra tao amin’izy ireo ity zaza ity. Nony niverina tany […]
Fisafoana ataon’ny polisy: jiolahy sivy maty, 106 voasambotra
Tao anatin’ny tapa-bolana, nahatratra 106 ireo voasambotry ny polisim-pirenena tamin’ireo fisafoana nataony eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Miisa sivy kosa ireo jiolahy lavo nandritra ny fifandonana. Tafiditra amin’izany ireo mpanao halatra miaro herisetra mitam-piadiana toy ny basy sy zava-maranitra. Tsy mitsahatra ny fisafoana na antoandro na alina ataon’ny polisim-pirenena, indrindra […]
Ankasina: mpanendaka roa lahy lavon’ny polisy
Lavon’ny polisim-pirenena, afakomaly, ny roa tamin’ireo jiolahy efa-dahy saika hanao ny asa ratsiny tetsy Ankasina. Nanararaotra ny orana nijojo ireo olon-dratsy, saingy nifanehatra tamin’ny polisy. Tamin’io fotoana io, vehivavy hamonjy fodiana nandeha moto no lasibatr’ireo mpanao ratsy. Efa niandry teo amin’ny “rond point Mad Inox” izy efa-dahy. Araka izany, eo […]
Saika hamaky trano: mpangalatra notapahina ny rantsan-tanany
Sendran’ny nahay azy, voarasan’ny antsy be ny tanan’ny mpangalatra iray tao avaratr’Ampasinjeva, Manakara, ny alahady hariva teo. Nikasa hangalatra tao amina tokantrano iray ity lehilahy ity. Nihidy avy any anatiny ny trano ka niezaka nanokotra karetsaka izy. Kinanjo, tsy nampoiziny fa hitan’ny tompon-trano ny tanany niezaka hamoha ny fanalahidy. Tsy […]




