Naratra mafy vokatry ny daroky ny fokonolona, maty tsy tra-drano ireo mpangalatra roa lahy tra-tehaka tao Ambohibary, kaominina Ambodirina, distrikan’Antanifotsy, omaly maraina tamin’ny 02 ora. Tsy nanampo ny fisian’ny mpiambina, raikitra ny sakoroka teo amin’ireo mpangalatra sy ireo tompon’entana nangalarina. Nentin’ireo olon-dratsy tamin’ izany ny kisoa, vorono ary hatramin’ny dokotra. […]
Tranga
Ikalamavony : mpitrandraka vato maty nihotsahan’ny tany
Telo herinandro nisian’ny fihotsahana niteraka fahafatesan’olona tao Ambatofinandrahana, mpitrandraka vato iray indray no namoy ny ainy tao Ikalamavony, ny faran’ny volana teo. Nifampitadiavan’ireo namany ny mpitrandraka vato iray, namoy ny ainy vokatry ny fihotsahan’ny tany tao amin’ny kariera iray anatin’i Bevahondrano, fokontany Mananatanana, kaominina Ikalamavony, ny 30 novambra teo. Tamin’ny […]
Basy tsy ara-dalàna: lehilahy vao avy nigadra tratra
Tsy mety fay! Voasambotry ny zandarimaria, ny alarobia teo, i Naivobe, jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao Antanifotsy. Mpamerin-keloka ny lehilahy ka izao tratra nitazona basy tsy ara-dalana izao. Ny alatsinainy teo, nahazo vaovao ny zandary ao an-toerana fa monina ao Andavabiby, fokontany Morarano ny lehilahy. Ny alarobia teo, nidina […]
Mpivarotra “méthamphétamine”: voasambotra ilay vehivavy vao nivoaka ny fonja
Tra-tehaky ny polisim-pirenena, afakomaly ilay tambajotra mpivarotra rongony mahery vaika “méthamphetamine” eto an-drenivohitra. Efa nigadra ny iray tamin’ireo vehivavy mpivarotra izany. Tra-tehaky ny polisy indray ilay vehivavy mpivarotra rongony mahery vaika sy ireo ekipany eto an-drenivohitra. Voasambotra tamina trano iray tetsy Tsiazotafo, ny alakamisy teo, ireto jiolahy ireto. Sarona nandritra […]
Nanafika teny Ambohimalaza: jiolahy roa nadoboka am-ponja
Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo jiolahy roa lahy malaza amin’ny vaky trano eny Ambohimalaza. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay namany rehefa avy niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana, ny alarobia teo. Tra-tehaky ny zandarimaria miasa ao an-toerana, ny talata teo, ireo raindahiny mpamaky trano eny Ambohimalaza sy ny manodidina. Voasambotra nandritra […]




