Tsy laitra iainana! Izay no ilazana ny zava-misy ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Vaky trano, olona voaendaka, fanafihana fiara mpitatitra eny amin’ny lalam-pirenena. Santionany amin’ny tsy fandriampahalemana mampikaikaika ny mponina ao Toamasina izany. Tao anatin’ny roa andro, sesilany ny fanendahana mpitondra bajaj sy fiara […]
Tranga
Sambava : mpivady niara-maty
Niara-hitafaty tao an-tranony ny mpivady, tao Antsahamivondraka Bekatseko, kaominina Andapabe Bemarivo, distrikan’i Sambava, afakomaly. Tsy nifankahazo izy mivady ireto ka niafara tamin’ny fifamonoana izany. Mipetraka tany an-tsaha somary misitaka ny tanàna no nisy ny tranon’izy mivady. Nahitan’ny nanatri-maso dian’antsy ny haton’ilay lehilahy izay nitsirara teo afovoan-trano niaraka amin’ny vadiny. Niparitaka […]
Mamo am-perinasa : mpamily taxi-be voasambotra
Mamo teo am-pamiliana, nosamborin’ny zandarimaria ny mpamily iray teny Ambohibao, omaly. Nijanona teo afovoan’ ny arabe, nibahana fifamoivoizana io fiara nentin’io lehilahy io. Niezaka nanisaka azy ny mpitandro filaminana. Nanatona ny mpamily ny mpitandro filaminana. Mamo anefa ilay mpamily. Natsahatra tamin’ny asany avy hatrany izy ary nentina, naiditra am-balam-pamonjana tao […]
Olona roa avotra… : dahalo mpaka an-keriny maty voatifitra
Rotiky ny balan’ny mpitandro filaminana nandritra ny fifandonana tao Vohilena, Anjozorobe, afakomaly, ny iray amin’ireo dahalo mpaka an-keriny. Teo am-pikasana haka vola tamin’ny fianakavian’ireo olona nalaina an-keriny ireo malaso no nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana… Maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao Ambohibary Vohilena, distrikan’Anjozorobe, afakomaly, ny iray amin’ireo dahalo mpaka an-keriny, […]
Ankerana : tratra ireo nanafika mpamongady
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Analamahitsy (CSP8) teny Anosizato sy Andraisoro, afakomaly, ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamina fanafihana tranona mpamongady iray eny Ankerana Ankandindramamy ny 17 septambra 2024 teo. Taorian’ny fikarohana nataon’ny polisy, tratra teny Andraisoro ny roa tamin’ireo jiolahy raha teny Anosizato kosa ny roa hafa, afakomaly. […]