Tranga

Nihotsahan’ny trano : Mpanao trano roa lahy namoy ny ainy

Mpanamboatra trano roa lahy niara-maty tao Tambohobe, kaominina Fianarantsoa, omaly. Mpiasa aman-jatony no mandray anjara amin’ny fanamboarana trano lehibe iray ao amin’io toerana io. Tsy nanampo na inona na inona ireo vatan-dehilahy ireo fa nanao ny asa fanaony andavanandro. Niharan-doza tampoka izy ireo. Nihotsaka ny ampahany tamin’ny trano namboarina. Olona […]

Anosizato Atsinanana I : Zaza menavava narian-dreniny

Narian-dreniny niaraka tamin’ny taratasy ny zaza menavava iray teny Anosizato Atsinanana I, omaly tolakandro. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra zazakely ni­fonofono tao anaty lamba. Nosorotan’ny renin’ny zaza tao anatin’ny taratasy fa sahirana izy. Tsy ho sambatra mihitsy ny zanany raha toa ka hiaraka hatory an-dalana aminy. Nangataka amin’ny olona mba […]

Ambamaro : Noleran’ilay vehivavy antsy ny sakaizany

Trobaka tao ambany heliny ny tovolahy vao 18 taona teny Ambatomaro, boriborintany fahadimy, ny alin’ny alarobia 21 mey teo. Nifamaly tamin’ny sakazainy io tovolahy io. Niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana ny tsy fitovian-kavitra teo amin’ny roa tonta. Tsy nahatsindry fo ilay vehivavy 22 taona. Naka zava-maranitra ka nanindrona izany tamin’ilay sakaizany. Nanaitra […]

Nifampitifitra tamin’ny dahalo: Lambamena iray maty, efatra naratra

Dahalo efatra sy lambamena iray namoy ny ainy nandritra ny fifandonana mahery vaika tao amin’ny fokontany Amboasary, kaominina Am­ba­tomainty, distrikan’Ikala­ma­vony, ny talata 20 mey teo. Nanao fanarahan-dia niaraka tamin’ny mpitandro filaminana ny vatan-dehilahy antsoina hoe lambamena. Handrava ny dahalo ekipan-dry Libertin izy ireo. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika anefa ireo olon-dratsy. […]