Lasa lavenona avokoa ny fanaka niampy ny akora fampiasa amin’ny fanamboarana izany teny Isotry, omaly. Niainga avy tamin’ny trano iray tsy lavitra ny firehetana. May avokoa ny seza, latabatra sy ny fanaka maro samihafa teny Isotry, omaly maraina tamin’ny 10 ora sy 45 minitra. Naheno feon-javatra nipoaka tampoka avy amin’ny […]
Tranga
Hanatitra vola ao amin’ny Cecam : mpianaka notafihin’ny jiolahy nitondra basy
Nitrangana fanafihan-jiolahy nitondra basy indray tao Andrefan’Amboasary, fokontany sy kaominina Vinany distrikan’i Mandoto, afakomaly. Nahazo loharanom-baovao mialoha avy amin’ny sefo fokontany Ampasatokana kaominina ambanivohitr’i Vinany, distrikan’i Mandoto ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ankazomiriotra fa nisy jiolahy roa nanafika tao amin’io fokontany io, afakomaly maraina tamin’ny 8 ora. Mpianatra ireto niharan’ny […]
Tsiroanomandidy : dahalo fito maty voatifitra
Lavon’ny basin’ny mpitandro filaminana ny dahalo fito lahy mpangalatra omby, tao amin’ny fokontany Antsakaviro, kaominina Antsahalava, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny 9 septambra teo. Nirongy fitaovam-piadiana mahery vaika sady nivatsy ody ratsy ireo dahalo. Noraofin’izy ireo ny omby. Nanaradia ny vatan-dehilahy tao an-tanàna. Raikitra ny fifandonana tamin’ireo mpandroba. Vokany, namoy ny ainy […]
Nanolana ankizy 13 taona: maty voatifitry ny zandary i Mesia
Lavo ihany ! Maty voatifitry ny zandary tao Ambohimana Farafangana, afakomaly, ny jiolahy raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Mesia tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy 13 taona. Voaolana ka namoy ny ainy tao amin’ny CSB2 Ambohimana ilay niharam-boina noho ny ratra mafy nahazo azy. Voalaza fa efa ela no niharan’ny fanolanana ity […]
Olona folo naiditra am-ponja: mpianaka niara-maty novonoina
Niara-notanana vonjimaika any am-ponja ireo folo lahy namono nahafaty mpianaka tao amin’ny kaominina Belobaka, ny 3 septambra teo. Valifaty no namonona ireo mpianaka. Maty niharan’ny vono sy daroka nataon’ny andian-dehilahy ny raim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy tao amin’ny fokontany Benonika, kaominina Belobaka, ny 11 jona lasa teo. Araka ny […]