Tranga

Asan- jiolahy ao Toamasina : Lavon’ny balan’ny polisy i Coco

Ela nitoratorahana ka lavon’ny balan’ny polisy tao Tanambao Verrerie i Pascaud Edvin, fantatry ny maro amin’ny solonanarana hoe Ra-Coco, 32 taona. Tovolahy vao erotrerony saingy efa mpamerin-keloka. Ra­ha iverenana ny zava-nitranga, natory tany amin’ny tranon- drainy ao Tanambao Verrerie izy ny alahady 19 avrily teo. Reraky ny torimaso izy, araka […]

Ambohibao-Antehiroka: Voasambotra ireo efa-dahy nangalatra moto

Niara-voasambotry ny zan­darimaria miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ante­hiroka, ireo mpiasa efa-dahy nangalatra moto an’ny mpampiasa azy, tao Ambohibao, afakomaly. Niasa tao amina orinasa iray ireo efatra mirahalahy ireo. Nametrahan’ny mpampiasa fitokisana izy ireo ka samy niandraikitra moto iray avy isanisany. Tsy naverin’ireo olona tao amin’ny orinasa intsony anefa ny moto […]

Roa andro nokarohina: Lehilahy hita faty natsingevan’ny rano

Natsingevan’ny rano tao amin’ny fokontany Ampanoa­vamatso-Morarano, kaominina Mahavelona, distrikan’­ Anka­zobe, ny lehilahy iray, ny alatsinainy 20 avrily teo. Niaraka tamin’ny namany telo lahy izy, ny sabotsy 18 avrily teo, araka ny fanazavan’ny fianakaviany. Samy avy niasa tany amin’ny toeram-pitrandrahana vato izy efatra ireo ka nikasa hamonjy fodiana any amin’ny vady […]

Nidona tamin’ny takelaka dokambarotra: Lehilahy iray nitondra moto maty tsy tra-drano tetsy Itaosy

Maty tsy tra-drano, nianjera tamin’ny moto tetsy Anosimasina Itaosy ny alin’ny alatsinainy teo, Ambinitsoarivelo Yvon. Nivoaka ny lalana ny moto noentiny ary nidona mafy tamin’ny takelaka dokambarotra. Potika tanteraka ny lohany sy ny tarehiny. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Ano­simasina Itaosy, ny alin’ny alatsinainy 21 avrily 2026 lasa teo […]

Fanafihana mitam-piadiana : Moto iray sy vola 17 tapitrisa Ariary voaroba

Raha halatra sy fanendahana, fandravana, vaky trano arahina fampiasana fitaovam-piadiana no malaza, taorian’ny rivodoza Gezani, efa miverina miakatra indray izao ny lentan’ny asan-jiolahy eto Toa­masina. Vola mitetina 17 tapitrisa Ariary haterina amin’ny banky iray eto an-toerana no voaroba raha efa nahazo fotoana tamin’ny tomponandraikitr’ity banky iray ity ilay olona handeha […]