Tranga

Raharaha Kraoma tao Antanandava: Olona roa naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja ao Ambalatavoahangy ireo olona roa voarohirohy momba ny raharaha Kraoma tao Antanandava, taorian’ny famotorana nataon’ny mpitsara eo anivon’ny fampanoavana, fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ny alatsinainy 12 janoary teo. Nisandoka andraikitra sy nanodinkodim-bola, voasambotra ka natao famotorana ny polisy roa lahy avy eto Antananarivo sy ireo olona roa ireo, […]

Fanafihana tetsy Itaosy : Jiolahy iray lavon’ny balan’ny zandary, roa hafa naratra mafy

Nisehoana fifandonana mahery vaika teo amin’ny andian-jiolahy sy ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Itaosy, omaly maraina, tetsy amin’ny Cité Akany Sambatra, Ambohidrapeto. Jiolahy miisa telo voatifitra sy voasambotra. Iray tamin’ireo namoy ny ainy. Niaina tao anaty horohoro sy tahotra ny mponina teny amin’ny fokontany Antanetibe, Cité Akany Sambatra, kaominina […]

Ahina ho namono tena : Tovolahy hita faty nihantona tamin’ny hazo

Tovolahy iray 29 taona hita faty nihantona tamin’ny tady, teo amin’ny hazo iray, teo amoron-dranomasina akaikin’ny Jardin d’amour, Maha­janga, omaly, tamin’ny 8 ora sy sasany maraina. Olona mipetraka teo amin’ny manodidina no nahita io zava-doza io ka nampandre ny tomponandraikitra avy hatrany. Nam­pandrenesina ny sefo fokontany sy ny mpitandro filaminana. […]

Distrikan’i Mandritsara: Mpivarotra omby hita faty

Notsatohan’ny tsy valahara tamin’ny zava-maranitra teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray mpivarotra omby tao amin’ny fokontany Anandrobato, kaominina Ambalakirajy, distrikan’i Mandritsara, omaly. Hita faty tao anatin’ny renirano Mangarahara tsy lavitry ny ivontoeram-panofanana iray ao an-toerana io lehilahy io. Nakarin’ny fokonolona an-tanety ny nofo mangatsiakany. Nidina ifotony ny mpitandro filaminana sy […]