Tranga

Mpitondra bisikileta mamo: Lehilahy iray maty voahitsaky ny kamiao

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany Antsirasira II, Ambohitoaka, distrikan’i Mampikony, afakomaly hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Niseho teo amin’ny PK 93+500, teo amin’ny sampanan-dalana Ampasimatera, ny loza. Bisikileta iray notaingenan’olona roa no niharan-doza. Nandeha taorian’ny kamiao iray ilay bisikileta. Nijanona tampoka anefa ilay kamiao ka tsy tafajanona […]

Telo lahy atao hazalambo : Tovolahy voafira antsy noho ny hasarotam-piaro

Naratra mafy, voafira antsy teo amin’ny tarehiny sy ny tongony ny tovolahy iray, ny talata alina lasa teo. Alahelo noho ny fandavan’ny tovovavy notsiriritiny no nanosika ilay nahavanon-doza hanafika mpifankatia, tao Ambalamanasy. Naratra mafy! Torana tsy nahatsiaro tena ny to­volahy iray, antsoina hoe Patrick, ny talata alina lasa teo. Notafihin’andian-jatovo […]

Nampandositra mpamono olona : Roa lahy misazy 9 volana an-tranomaizina

Raim-pianakaviana iray sy olona iray hafa voasazy higadra 9 volana an-tranomaizina, tao Tsiroanomandidy, afakomaly. Voaheloka noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ny fampandosirana lehilahy iray nahafaty olona tao amin’ny fokontany Ambohibary Kofay, kaominina Fihaonana, distrikan’i Tsiroanomandidy, ireo olona roa ireo. Nitrangana vono olona tao amin’io fokontany io, ny alin’ny alakamisy 24 jolay […]

Namono olona roa tao Ampangabe mahitsy: Maty voatifitra i Bengilo, jiolahy raindahiny

Iray volana taorian’ny vono olona nahatsiravina tao Ampangabe, namoy ny ainy, rehefa nikasa handositra zandary, ny jiolahy tompon’antoka iray antsoina hoe i Bengilo. Nirefodrefotra ny basy! La­von’ny balan’ny zandary ny jiolahy raindahiny, tompon’antoka tamina fanafihana mitam-piadiana tao Voro­damba, kaominina Mahi­tsy, ny alatsinainy 21 avrily, ta­min’ny 9 ora alina. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana […]