Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray nitondra moto taorian’ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tao amin’ny fokontany Tsarazaza, kaominina Itaosy, distrika Atsimondrano, ny alahady 1 marsa teo. Nandeha mafy io mpitondra moto io. Nifanoha-dalana taminy ny Bajaj mpitatitr’olona avy any Andrakaivo hihazo an’i Behenjy. Tsy voafehin’ilay mpitondra moto tampoka ny familiana. Nifatratra tamin’ilay […]
Tranga
Tratra tao amin’ny toby fiereny: Jiolahy roa lavon’ny zandary tetsy Mahitsy
Nirefodrefotra ny basy tetsy Mahitsy, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Notratrarin’ny zandary tao amin’ny toby iray fiereny ireo jiolahy tamin’io fotoana io. Raikitra ny fifanjevoana ary lavo nandritra izany ny roa. Anisan’ny malaza amin’ny asa ratsy ataon’ny jiolahy ny eny amin’ny faritr’i Mahitsy sy ny manodidina. Ahitana tranga […]
Nahitana fibontsinana ny lamosiny: Zazavavy 3 taona matin’ny valanaretina Mpox
Namono olona iray ny valanaretina Mpox na nendran-gidro teto Madagasikara. Zazavavy 3 taona namoy ny ainy teny anivon’ny hopitaly CenHoSoa Soavinandriana, ny alin’ny sabotsy tamin’ny 12 ora. Efa narary andro vitsivitsy izy io talohan’ny nitondrana azy tany amin’ny hopitaly, etsy Andohatapenaka io zaza io. « Efa ratsiratsy ny fahasalamany tamin’ny fotoana […]
Andohatapenaka : Mpangalatra moto naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana ny sabotsy 28 febroary teo, notanana vonjimaika eny am-ponja, ny lehilahy iray voasaringotra tamin’ny halatra moto teny Andohatapenaka. Nangalarin’ny olon-dratsy ny moto scooter iray ny marain’ny 25 febroary lasa teo. Tsy nahatsikaritra ny fahatongavan’ny mpanao ratsy tao amin’ny toerana nisy io fananany io ny tompon’ny moto. Voatery nanao […]
Fandrobana 15 tapitrisa Ariary: Jiolahy voatifitra, zandary roa naratra
Voatafika ny tokantrano iray teny tsiafahy, afakomaly alina. Voaroba ny vola 15 tapitrisa Ariary. Tonga teny an-toerana ny zandary, raikitra ny fifampitifirana. Vokany, naratra ny roa tamin’ireto farany, nipitihan’ny taim-bala. Voasambotra ny olon-dratsy iray. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny jiolahy sy ny zandary teny Tsiafahy, tamin’ny alahady alina. Vokany, voa […]




