Tranga

Naiditra am-ponja eny Tsiafahy: Tratra ireo jiolahy nanolana sy nanindrona antsy

Aiza ihany ilay fampiharana ilay lalàna momba ny famosirana? Naiditra am-ponja eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, afakomaly alina, ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’ antoka tamin’ny famonoana ilay ankizivavy 6 taona hita faty teo akaikin’ny biraon’ny fokontany Belambanana Andoha­ra­nofotsy, ny 29 aogositra 2024 teo. Ny zandary avy ao amin’ ny tobim-paritra […]

Fenoarivo : lehilahy iray maty an-drano

Hatairana ny an’ireo olona teny amin’ny Digue hihazo an’i Fenoarivo Alakamisy, omaly, raha nahita fatin-dehilahy iray tao anaty rano. Olona handeha hiasa vao maraina no nahita azy ka nampandre ny zandary. Nilaza ireo olona nahita ny razana fa tsy mponina eny an-toerana ity lehilahy ity. Tsy fantatra kosa hatreto izay […]

Milaza ho iraky ny fitondrana : vehivavy tratra nisoloky ho mizara Tosika fameno

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny vehivavy iray misoloky ho iraky ny fitondram-panjakana ka mizara Tosika fameno teny Ankeribe, fokontany Mandrosoa, kaominina Alakamisy Anosiala Ambohidratrimo. Olona 300 nahazahoany vola 500 Ar avy. Aza jerena amin’ny en­driny ! Na teo aza ny hatezeran’ireo olona saika hanao fitsaram-bahoaka tamin’ity renim-pianakaviana iray mpisoloky ity, voasoroky ny […]

Miadana Anjozorobe : mpaka an-keriny voatifitry ny zandary

Maty voatifitry ny zandary tao Miadana kao­minina am­banivohitr’Ambohibary Vohile­na dis­trikan’Anjozorobe, afakomaly hariva ny jiolahy iray naka an-keriny ankizivavy 9 taona. Nalaina an-keriny saingy tafaporitsaka sy afaka niantso vonjy ny lasibatra. Henon’ny fokonolona teo an-tanàna izany ka raikitra ny fifanenjehana. Voasoroka mialoha ny fikasan-dratsin’ilay jiolahy noho ny fiaraha-mientan’ny fokonolona sy ny […]

Jiolahy iray voatifitra: Basy roa sy bala 10 tratra

Maty voatifitry ny polisin’ny UIR tao Ankofafalahy Fianarantsoa, omaly tamin’ny 1 ora maraina ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Nifanehatra tamin’ireo polisy nanao fisafoana ny tanàna ity jiolahy ity, saingy tsy nanaiky hosavaina fa nitifitra avy hatrany. Raikitra teo ny fifamaliana tifitra teo amin’ilay jiolahy sy ny polisy. Rotiky ny […]