Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tetsy Ankorondrano, ny takarivan’ny alahady, tamin’ny 5 ora sy fahefany. Niseho nanoloana ny orinasa Henri Fraise ny loza. Lehilahy iray 45 taona, nitondra moto, naratra mafy voadona sy voafaokan’ny fiarakaretsaka. Novonjena haingana tany amin’ny HJRA Ampefiloha izy saingy tsy tana ny ainy. Avy any Ankorondrano, hihazo […]
Tranga
Toamasina: Zaza dimy taona nianjeran’ny hazo
Manaraka fitsaboana hatramin’izao ilay zazavavy dimy taona nianjeran’ny hazo nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tao Toamasina. Nisedra fahasahiranana ny ray aman-drenin’io zaza io noho ny takaitra navelan’ilay loza voajanahary tao amin’ny renivohitra Atsinanana. Voa mafy nandritra izany ny zanakavavin’izy ireo. Tsy nitazam-potsiny, nitondra fanampiana hanavotana an’io zazakely io ny vadin’ny […]
Saika hanafika mpamongady : Jiolahy telo maty voatifitra
Nirefodrefotra ny basy teny amin’ny manodidina an’Ambohipo, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Nisy telo lahy nikasa hanafika tao amina toeram-pivarotana iray. Lavon’ny balan’ny polisy avokoa izy ireo. Nieren-doza ny mpamongady iray eny Ambohipo, omaly. Nitsefotra ny fanafihana saika hataon’olon-dratsy tao amin’izy ireo. Tompon’antoka ny telo lahy, nitondra basy. Nisy nahatsikaritra […]
Ambatoroka : Rangahy 50 taona naratra mafy voadonan’ny moto
Nisehoana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tetsy Ambatoroka, manoloana ny daba fanariam-pako, ny sabotsy alina, tokony tamin’ny 11 ora latsaka fahefany. Raim-pianakaviana tokony ho 50 taona, naratra mafy voadonan’ny moto marika Sym Jet Power, miloko mainty sy volomboasary, teny an-toerana. Nandeha an-tongotra tamin’ny sisin-dalana izy io, no voafokan’ilay moto ka nianjera […]
Soavimasoandro: Olona efatra voasambotra noho ny halatra moto
Mitombo hatrany ny olona voasambotry ny polisy mahakasika ny halatra kodiaran-droa eto Antananarivo sy ny manodidina. Tao anatin’ny roa andro, ny zoma 20 febroary sy ny sabotsy 21 febroary lasa teo, miisa efatra ireo olona voasambotra. Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Analamahitsy, tetsy Soavimasoandro, ny zoma lasa teo, ny […]




