Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana Anosy, notanana vonjimaika eny am-ponja ny ramatoa iray mpivarotra heroïne teny Manakambahiny, afakomaly. Manoloana ny firongatry ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eny amin’iny faritra iny, naharay loharanom-baovao ny ekipan’ny polisim-pirenena fa misy olona mivarotra “rôrô” teny amin’io boriboritany faharoa io. Sarona teo am-pivarotana io ramatoa io ary […]
Tranga
Nandroba mpanagom-bokatra : Efa-dahy voaheloka higadra 10 taona
Niakatra fitsarana, omaly, ireo jiolahy miisa efatra nanafika mpamongady tany Ambalanirina. Nomelohin’ny fitsarana higadra an-tranomaizina 10 taona izy ireo. Niampy lamandy 7 000 000 Ar izany. Sazy henjana ! 10 taona any an-tranomaizina miampy fandoavana lamandy an-tapitrisany no azon’ireo efatra mirahalahy voasaringotra tamin’ny fanafihana mpanangom-bokatra, tao Ankadilalapotsy, fokontany Ambatolampy, kaominina Ambalanirana, […]
Anosibe : Mpanendaka iray maty voatifitry ny polisy
Mpanendaka iray lavon’ny balan’ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Unité d’Intervention Rapide (UIR) sy ny Compagnie Urbaine d’intervention (CUI) tetsy Anosibe, ny harivan’ny 14 avrily lasa teo. Mpanao sinto-mahery miisa telo hafa azo sambo-belona. Nikasa hanendaka ramatoa iray teny Anosibe sy ny manodidina ny bandy telo lahy ny harivan’io andro io, […]
Tanjombato : Olona telo naratra nianjeran’ny fiarabe
Nosokirina tao ambanin’ny fiarabe ny iray tamin’ireo olona telo naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho teny Ambohimanatrika Andohavaho, kaominina Tanjombato, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy sasany. Fiarabe iray nifatratra tampoka tao amin’ny tokantrano miisa roa sy tsena fivarotan’olona maromaro. Nifamonjen’ireo manodidina avy hatrany ireo olona voakasiky ny loza. Nihatrana teny […]
Andohatapenaka: Mpirahavavy niara-maty sempotry ny afon-tsaribao
Hita faty tao amin’ny efitrano iray, tetsy Andohatapenaka I, ny ankizy mirahavavy, omaly maraina. Maty sempotry ny afon-tsaribao nasiana rano mafana tao an-trano izy ireo, raha ny fanazavana voaray. Ankizy mirahavavy zanak’olom-piray tampo samy 14 taona, hita faty tao amin’ny efitrano iray tetsy Andohatapenaka I, secteur 3, omaly maraina tamin’ny […]





