Tranga

Nitroatra ny vahoaka : May ny biraon’ny polisy ao Vohémar

May nodoran’ny mponina ny biraon’ny polisy ao Vohe­mar, omaly. Nitaky ny hamoahana lehilahy tompon’antoka tamin’ny vono olona niseho tany amin’ny fokontany Ma­nam­bery, kaominina Ampon­dra, afakomaly alina izy ireo. Nitaky ny hanaovana fitsaram-bahoaka io olona io izy ireo fa tsy namoaka izany ny polisy. Mba ho fisorohana ny fitsaram-bahoaka, nafindra toerana […]

Ambohitrabiby : Lehilahy hita faty nihantona

Tovolahy iray hita faty nihantona tamin’ny tady tao amin’ny fokontany Ambodifahitra, kaominina Ambohitrabiby, distrikan’Avaradarano, omaly. Nifatotra tady teo amin’ny tendany io lehilahy io ary nikirazorazo avy eny ambony hazo. Nahitan’ny zandarimaria nanao fanadihadiana harona plastika niampy taratasy tsy lavitry ny razana. Nisy ny laharana finday an’ny fianakavian’ny maty sy hafatra […]

Fahapoizinana ara-tsakafo: Olona 32 ifamonjena eny amin’ny hopitaly

Voapoizina tamin’ny sakafo ny olona miisa 32 ka manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly, hatramin’izao. Namonjy fetim-pianakaviana teny Ambohijanaka izy ireo ny alahady teo. Tsy mbola fantatra ny sakafo nahatonga ny loza. Arahi-maso akaiky eny anivon’ny hopitaly ny fahasalaman’ny olona miisa 32 mianadahy mianaka izay tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo teny amin’ny fo­kontany […]

Alan-drongony 2 ha tratra : Olona telo voasambotra

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny olona telo mpiray tsikombakomba amin’ ny fambolena, famarotana ary fanampariahana rongony ma­hery vaika « Skunk », tao amin’­ ny kaominina Fihaona­na, distrikan’i Tsiroanoman­didy, ny 11 avrily teo. Olona iray nahatrarana Skunk milanja 1,30kg tao Andranomadio, ny 9 avrily. Nanaovan’ny mpitandro filaminana fanadihadiana io lehilahy io. Nitoroka ny […]

Roa vavy lasibatra : Mpitondra Tuc-tuc nanendaka mpandeha

Vehivavy roa hamonjy fodiana niharan’ny fanendahana nataona mpitondra Tuc-tuc tao Ambohijafy, kaominina Toamasina, omaly. Avy namonjy lanonana, naka io fitaovam-pitanterana io teo Ambohijafy ireo roa vavy ireo tamin’ny 2 ora maraina. Niakatra tamina Tuc-tuc izy roa kanjo nisy roa lahy hafa nanakana izay nilaza fa mitovy lalana amin’izy ireo. Nentin’ilay […]