Tranga

Niharan’ny fanolanana : Zazavavy 5 taona maty teo no ho eo

Maty nandritra ny fanolanana nataon’ny tsy mataho-tody ny zazavavy vao dimy taona monja tao amin’ny kaominina Andranobolaha, distrikan’i Toamasina II, ny alin’ny alahady 11 janoary teo. Voa­sam­botry ny fokonolona teo am-panaovana ny filan-dratsiny ny lehilahy nahavanon-doza, afakomaly. Nentin’ity lehilahy ity nihazo ny toerana mangingina ilay zazavavy vao dimy taona, fantatra […]

Rotsakorana be loatra : Tafakatra 16 ireo namoy ny ainy

Tafakatra 16 ireo olona namoy ny ainy vokatry ny rotsakorana be loatra teto amin’ny Nosy, raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC omaly atoandro. Voakasik’izany ny tao anatin’ny kaominina 14, disitrika 13, faritra miisa efatra. Olona dimy tamin’ireo maty nilatsaham-baratra tany Anjozorobe. Iray hafa maty nirodanan’ny trano tetsy Bemasoandro Itaosy, efatra nirodanan’ny […]

Nangalatra sy saika hanolana : Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray 25 taona, matin’ny fitsaram-bahoaka tetsy Ambatomaro Fétiche, omaly hariva tokony tamin’ny 2 ora sy fahefany tolakandro. Raha ny vaovao voaray, na­nendaka ary saika mbola hanolana vehivavy 18 taona iray, mipetraka eny Amboan­jombe, io lehilahy io sy ny namany iray hafa. Hitan’ny fokonolona izy ireo, ka nifanenjehana. Tratran’ny olona […]

Ivandry : Mpanao sinto-mahery voasambotra

Olon-dratsy mpanao sinto-mahery sady mpangarom-paosy voasambotry ny polisy teny Ivandry, ny marain’ny zoma 9 janoary teo, tamin’ny 7 ora. Mody nitangorona niaraka amin’ireo olona mpiandry taxi-be teo amin’ny fiantsonana io lehilahy io. Mitondra zava-maranitra toy ny hareza izy ka triariny mandritra ny fifanisihan’ireo mpandeha ny kitapo. Olon-tsotra iray lasibatra tamin’io […]