Tranga

Trano dimy main’ny afo : Fianakaviana miisa 12 tsy manan-kialofana

Nitrangana hain-trano tao Ambalabe, fokontany Andra­nomainty, disitrikan’i Mana­kara, omaly, tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro. Trano miisa dimy no voakasiky ny firehetana ary may kila forehitra ny trano telo tamin’ireo niaraka tamin’ny entana tao anatiny. Mahatratra 12 ny isan’ny fianakaviana traboina sy tsy manan-kialofana, vokatr’izany. Kely ny niantombohan’ny afo saingy […]

Ambanja : Mpikatroka Moraingy namoy ny ainy

Namoy ny ainy vokatry ny fijanonan’ny fitempon’ny fo tampoka ny mpikatroka taranja Morengy tao Ambanja, afakomaly tolakandro. Nanatontosa fifaninanana tao amin’ny kianja Monisipaly tao Sambirano Ambanja ny tomponandraikitry ny federasionina Moraingy, tamin’io faran’ny herinandro io. Nifanandrina nandritra izany i Bruano avy any Antsifitra, kaominina Benavony, distrikan’Ambanja sy Julio “Jobilahibe”, avy […]

Zaza efa-taona voaolana : Mpampianatra misotro ronono saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny lahiantitra iray teny Antanandrano, kaominina Ankadikely Ilafy, afakomaly. Voalaza fa nanolan-jazavavy efa-taona izy. Nodarodarohan’ny fokonolona, vaky loha, voatery notsaboina ny lehilahy iray efa misotro ronono teny Ambany Atsimo, fokontany Antanandrano, kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan’ Avaradrano, afakomaly. Voa­laza fa nanolana zazavavikely vao efa-taona monja izy. Maika nampiakatra […]

Fanafihana mitam-piadiana: Tovolahy roa tia jerijery voatifitry ny jiolahy

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tany amin’ny fokontany Andafi­a­tsimo Ambatolampy, distri­kan’ Antsirabe, ny sabotsy hariva lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora latsaka fahefany. Nota­fihin’ny andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ny tokan­trano iray. Nisaron-tava avokoa ireto olon-dratsy tamin’ny fotoana nanatanterahiny ny asa ratsy. Niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano ireo dahalo. Nanambana basy ny […]