Namory ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy sy ny Etamazaoro ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin omaly, teny Ampahibe. Tao anatin’izany no nanaovana tombana ireo asa vita. Hentitra ny toromarika nomeny amin’ny tsy maintsy hametrahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana maharitra eto Madagasikara, satria […]
Tranga
Anosibe Tsena : mpamongady notafihin’ny jiolahy, lasa ny volabe
Nirefotra indray ny poa-basy teny Anosibe Tsena, omaly hariva. Mpamongady iray akaikin’ny tetezana mavo no lasibatry ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Jiolahy dimy nandeha moto no voalaza fa tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Niditra an-keriny tao amin’ilay trano fivarotana ry zalahy sady nandrahona tamin’ny basy. Nentin’ny tahotra ireo olona tao […]
Sainte Marie : hita faty ireo roa lahy natelin’ny ranomasina
Taorian’ny fikarohana nataon’ny tafika an-dranomasina sy ny teo anivon’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy, hita omaly ny fatin’ ireo roa rendrika an-dranomasina niaraka tamin’ny lakana. Tany atsinananan’Ambodiforaha Sainte Marie no hita ny fatin’izy roa lahy ireto, araka ny tatitra nampitain’ny zandary. Tonga nanao fizahana ireo razana ny dokotera. […]
Voaroba teo am-bavahadiny: Karana voatsatoka antsy teo amin’ny lohany
Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly ilay karana notsatohan’ny jiolahy ny antsy teo amin’ny lohany, afakomaly alina. Lasan’ireo mpanafika ny vola teny aminy mitentina 4 tapitrisa Ar. Tsy milamina intsony ! Teratany karana iray naratra mafy notsatohan’ ny jiolahy ny antsy teo amin’ny lohany, afakomaly alina tamin’ ny 10 ora, tao […]
FAHARENDREHANA AN-dranomasina : olona iray tsy hita popoka
Mbola hitampitadiavana ny roa amin’ireo mpanjono rendrika an-dranomasina tao Ankoalamare fokontany Ambodiforaha Sainte Marie. Efa hita omaly kosa ny roa lahy. Ny alahady izy ireo no niainga kanjo izao tra-doza tampoka izao ny lakana nentin’izy ireo. Voalaza fa nofaohin’ny riaka ny lakana nentin’izy efa-dahy. Ny moteran’ilay vedety kosa no hitan’ny fokonolona […]