Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny asa fanendahana sy fanaovana vaky trano, maty voatifitry ny polisy tetsy Anosibe, omaly maraina. Avy nanendaka ramatoa haka entana maraina izy no nifanehatra tamin’ny polisy. Nirefodrefotra ny basy tetsy Anosibe, omaly maraina tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany tany ho any. Lavon’ny balan’ny polisy […]
Tranga
Tranombarotra iray voatafika : Lasan’ireo jiolahy ny vola 150 tapitrisa Ariary
Notafihin’ny jiolahy indray ny trano fivarotana piesy sy kojakojana bisikileta iray tany Mangarivotra Avaratra, parcelle 11/11, Toamasina I, omaly maraina tokony tamin’ny 6 ora sy sasany. Jiolahy miisa telo, mirongo basy no niditra an-keriny tao an-tsena. Nandeha moto ary tsy nisy nisaron-tava izy ireo tamin’ny fotoana nanaovan’izy ireo ny asa […]
Soamandrakizay: Fiara 4×4 nifatratra tanaty rano
Tra-doza ny fiara tsy mataho-dalana iray teny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’i Soamandrakizay sy Tsarasaotra, omaly. Latsaka tany anaty rano ilay fiara tsy mataho-dalana rehefa niezaka niala fiara iray nanapaka tampoka ny mpamily azy. Nirifatra sady nanapaka tampoka teo alohan’io fiara 4×4 io ilay fiara iray hafa, araka ny loharanom-baovao avy […]
Sakoroka teo Behoririka: Nitokona ny mpivarotra, mpanao gazety roa naratra
Nitokona ny mpivarotra teo Behoririka, omaly. Mitsipaka ny fandaminana izy ireo. Nisy mpanao gazety mianadahy, niharan’ny herisetra nandritra ny hetsika. Niharan’ny herisetra nataon’ireo mpivarotra nanao fitokonana teny Behoririka, naratra ny mpanao gazety mianadahy, omaly maraina. Nanatanteraka ny asany teny an-kianja amin’ny maha mpanangom-baovao azy ireo mpiasa amina haino vaky jery […]
Voasambotra ny nahavonon-doza : Vehivavy sembana 64 taona lasibatry ny fanolanana
Voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Foulpointe, tamin’ity herinandro ity, ny lehilahy iray 28 taona. Tompon’antoka tamin’ny fanolanana vehivavy lehibe iray manodidina ny 64 taona, tany Foulpointe. Vehivavy manan-kilema ara-batana io lasibatra io. Raha tsiahivina, niala tao amin’ny trano fonenany ary nikasa handeha hamangy fianakaviana ity ramatoa lehibe ity, […]





