Nokarohin’ny fokonolona nanomboka omaly atoandro, tamin’ny 11 ora, ny lehilahy iray mpitondra baka tao amin’ ny fokontany Antanandava nandritra ny fanantanterahana ny asany tao Ambatondrahilany, distrikan’i Mananara Avaratra. Tra-doza tampoka izy ary nilentika tao anaty rano. Nifampitadiavan’ny namany izay sady mpiara-miasa aminy. Tsy nipoitra intsony taorian’ny naharendrika azy anefa io […]
Tranga
Nanolana tovovavy 18 taona : Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka tany Ankazobe
Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy maty ny lehilahy mpanolana, tany Ankazobe, afakomaly. Nanolana sy namono nahafaty vehivavy 18 taona, tany an-toerana izy io sy ny namany iray hafa, ny sabotsy lasa teo. Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka, tany amin’ny kaominin’i Marondry, distrikan’Ankazobe, afakomaly maraina. Nanolana sy namono nahafaty vehivavy 18 taona […]
Mahajanga : 20 lahy nosamborin’ny polisy
Mpanao sinto-mahery, fanendahana sy fandrobana mampiasa fitaovam-piadiana miisa 20 lahy nosamborin’ny polisy tao Mahajanga, nandritra ny faran’ny taona sy ny 1 janoary lasa teo. Nanao fisafoana alina sy nanamara-maso ny filaminan’ny tanàna ireo polisy miasa eo anivon’ny kaomisaria Central ao an-toerana. Nivezivezy tamin’ireo toerana hifamezivezen’ny mpiala sasatra sy mahavory olona […]
Ambatoroka : Lehilahy 26 taona maty notsatohan’ny namany antsy
Lehilahy 26 taona maty notsatohan’ny namany antsy, tetsy Ambatoroka, ny 4 janoary, tamin’ny 3 ora hariva. Nahitana dian’antsy roa teo amin’ny fony, izay nitarika azy tamin’ny fahafatesany. Hitan’ny olona nifamaly tao amin’ny tsena fivarotana zava-pisotro iray io lehilahy namoy ny ainy io sy ny namany iray hafa tamin’io fotoana io. […]
4×4 tra-doza : Mpivady niara-namoy ny ainy
Nifapisokirana tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy ny mpivady tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, tao amin’ny distrikan’Antanifotsy, ny sabotsy 3 janaory teo. Fiara tsy mataho-dalana iray miloko mainty izay nitondra ny fianakaviana kelin’izy mivady ireo. Ankizy ny telo ary izy mivady, araka ny loharanom-baovao. Potika tanteraka ilay fiara tsy […]




