Tranga

Hetsiky ny Gen Z : Tanora telo voatazona eny amin’ny heloka bevava

Miisa telo ireo tanora avy amin’ny Gen Z, voasambotra sy miatrika famotorana eny amin’ny sampan-draharahara miady amin’ny heloka bevava. Enina ireo tsy nahazahoam-baovao hatramin’izao. Taorian’ny fidinana andalam-be nataon’ny tanora avy amin’ny Gen Z, ny zoma sy sabotsy lasa teo tetsy Ambohijatovo sy teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Miisa telo ny […]

Fahasalamam-bahoaka : Afaka misitraka vaksinin’ny Mpox ny olon-drehetra

Manomboka ny fizarana maimaimpoana ny vaksiny hiarovana amin’ny Mpox. Afaka misitraka izany avokoa ny vahoaka malagasy rehetra. Malalaka, atao an-tsitrapo ny fanaovana izany. Nosantarina tany amin’ny hopitalibe CHRR Fa­rafangana ny fanaovana vaksiny faobe maimaimpoana ho an’ny daholobe, hiadiana amin’ny aretina mpox. Ezaka lehibe ataon’ny fanjakana ho fisorohana sy fanakanana ny […]

Ambohidratrimoanala-Andriampamaky: Fatim-behivavy mampiahiahy tao an-trano

Nisehoana trangam-pahafatesana mampiahiahy tao amin’ny tokantrano iray, ao Ambohidratrimoanala, any Andriampamaky, distrikan’i Manjakandriana. Afakomaly maraina tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany no nahary antso mahakasika izany ny mpitandro filaminana. Nisy ny fidinana ifotony, nataon’ny zandary sy ny mpitsabo avy amin’ny CSB 2. Hita tamin’izany ny fisian’ny razana efa mihorirana […]

Nifanenjehan’ny polisy : Mpangalatra vy maty voatifitra

Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo jiolahy roa lahy nifanenjehan’ny polisim-pirenan tao amin’ny fiantsonan’ny fiaramanidina Ambalamanasy, Toamasina, ny zoma 1 avrily teo. Tsika­ritry ny manodidina ny roa lahy naka vy teo amin’io seranam-piaramanidina io. Niantso ny manam-pahefana ireo nanatri-maso. Tonga ara-potoana ny polisy. Sarona teny am-pandidina vy teo amin’ny ilany […]

Fanafihana teny Ankadinandriana : Vehivavy roa voaolana, lehilahy voatsatok’antsy

Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny fianakaviana iray teny Soamonina, Ankadinandriana. Voaolana ny renim-pianakaviana sy ny zanany vavy. Notsatohana antsy ny lehilahy tompon-trano. Jiolahy iray voasambotra, afakomaly. Voatafika ny tokantrano iray, eny Soamonina, kaominina Ankadinan­driana, distrikan’Avarandrano, ny zoma alina lasa teo. Na­olan’ny olon-dratsy ny renim-pianakaviana iray 44 taona, sy ny zanany vavimatoa […]