Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Behenjy ireo telo lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fandoroana ala sy tanety. Avy namonjy famadihana tao Anosinandriana fokontany Antsobolo kaominina Behenjy distrikan’Ambatolampy izy telo lahy ireto no manao fanahy iniana mandoro tanety, afakomaly maraina. Nifanindran-dalana tamin’io, nahazo antso ny zandary fa mirehitra ny […]
Tranga
Soavinandriana : raim-pianakaviana iray maty voatifitry ny jiolahy
Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray nandritra ny fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao Andrangy Soavinandriana Itasy ny alatsinainy alina teo. Naratra mafy, torana tsy nahatsiaro tena ny vadiny… Nitrangana fanafihana mitam-piadiana narahina vonoan’olona indray tao amin’ny kaominina Soavinandriana Itasy ny alatsinainy alina teo. Fianakaviana iray no niharan’ny fanafihan-jiolahy nirongo […]
Tao anaty lanonam-pianakaviana: lehilahy iray maty voavelin’ny tavoahangy
Niafara tamin’ny vonoan’ olona ny lanonam-pianakaviana tao amin’ny fokontany Ambalanaomby I Vohilava, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo fampitam-baovao avy amin’ny ben’ny Tanàna ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Vohilava momba ny fisian’ny ady nahafatesan’ olona tao amin’ity lanonam-pianakaviana iray ity. Nidina haingana tany an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy […]
Taolagnaro : rendrika ny sambo MS Iharana
Nitrangana loza an-dranomasina tao Amparihy, Taolagnaro, omaly vao maraimbe. Teo anelanelan’ny misasakalina sy tamin’ny 1 ora maraina no naharendrika ny Sambo MS Iharana. Nanainga avy any Toamasina ity sambo ity miaraka amin’ireo ekipazy 12 tao anatiny. Tratran’ny olana ara-teknika tampoka anefa ilay sambo. Teo am-pidirana ny seranana hiantsonana no nitranga […]
Ady amin’ny fakana an-keriny: miantso ny vahoaka ny mpitandro filaminana
Mihetsika avy hatrany taorian’ny toromariky ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny mpitandro filaminana hamongotra ny fakana olona an-keriny. Efa nahitam-bokany izany nandritra ny faran’ny herinandro… Mitohy ny ady amin’ny fakana an-keriny! Nomarihin’ny Filoha Rajoelina fa matoky ny mpitandro filaminana izy amin’ny fanenjehana sy famongorana ireo jiolahy mpaka an-keriny izay mampihorohoro ny […]