Tranga

Fanafihana mitam-piadiana : Voaroba ny vola 17 tapitrisa Ar sy moto iray tany Toamasina

Mirongatra ny trangana fa­nafihana mitam-piadiana any amin’ny faritr’i Toamasina tato ho ato. Notafihin’ny jiolahy mi­rongo fitaovam-piadiana indray ny lehilahy iray nikasa hanatitra vola tao amin’ny banky ao an-toerana ny sabotsy 4 avrily 2026, tamin’ny 9 ora maraina, lasa teo. Voaroban’izy ireo, tamin’izany, ny vola mitetina 17 tapitrisa Ar sy ny […]

Telo lahy nandroba Cash point : Roa lahy niampy polisy iray voaambana basy

Nandositra avokoa ireo telo lahy nandroba mpanao Cash-point teny amin’ny fo­kontany Anatihazo-Isotry, ny harivan’ny alakamisy 9 avrily teo, tamin’ny 6 ora sy sasany. “Handeha hody izahay ary efa teo am-baravarana, kanjo no­sakanan’ny telo lahy tampoka”, hoy ny fanazavan’ny iray tamin’ireo roa lahy lasibatra. Nampiasa fitaovam-piadiana toy ny basy sy antsy […]

Nitazona dahalo: Zandary maty, latsaka tany anaty hantsana

Zandary am-perinasa iray namoy ny ainy rehefa latsaka tany anaty hantsana niaraka tamin’ny dahalo vao avy nosamborina. Tao amin’ny kaominina Fenoarivo, Ambato­finan­drahana, no nisehoan’izany omaly maraina. Nisolifatra, latsaka tany anaty hantsana, notatazan’ny vato. Maty tsy tra-drano izy sy ny dahalo iray izay nifatotra niaraka taminy. Tsy afa-nisaraka izy ireo. Amin’ny […]

Fitokonana an-dalambe : “Hitohy ny fitakiana”, hoy ny Gen Z “Voakarama ireo”, hoy ny Filoha

Nanomboka omaly ny fidinana an-dalambe ataon’ny Gen Z. Nilamina ny dia avy eny Ambohijatovo nihazo an’Analakely. Nambaran’ny Kly Randrianirina Michaël fa olona voakarama ireto manakorontana. Niverina nidina an-dalambe ny tanora Gen Z, omaly. Nifamotoana teny Ambohijatovo izy ireo. Vao maraina, efa nisy ny fitangoronana sy ny fametahana sorabaventy. Mitaky ny […]

Nihinana trondro holikoliky: Raim-pianakaviana roa tsy nahatsiaro tena

Niharan’ny fahapoizinana ara-tsakafo, raim-pianakaviana roa niaraka tsy nahatsiaro tena ka voatery naiditra hopitaly tao Betania, kaominina Morondava, omaly. Fiana­kaviana roa avy ao an-toerana niaraka nihinana karazana trondro atao hoe holikoliky, ny alarobia 8 avrily lasa teo. Mpanarato no nahazo ireo trondro ireo. Nampiarahana tamin’ny makamba io sakafo io. Tsy nisy […]