Nidiran’ny bala teo amin’ ny tratrany havia ny mpanao Cash point iray teny Manjaka, kaominina Ankadikely-Ilafy, ny harivan’ny zoma 30 aogositra teo. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireo tsy valahara. Niandry kendry tohina ilay ramatoa mpanao Cash point ka nanery azy hanome ny vola rehetra azo nandritra ny tontolo andro. Tsy […]
Tranga
Ambatondrazaka: mpisoloky efatra voasambotra
Olona efatra nilaza ho mahay mampitombo vola avo telo heny voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Ambohimasina, kaominina Ambatondrazaka, afakomaly. Tafiditra tao anatin’ny vela-pandrika nataon’ireo mpisoloky ny renim-pianakaviana iray. Nahazoan’izy ireo vola nitentina 3 tapitrisa Ar io ramatoa io. Tsy hita intsony anefa ireo mpanambaka andro vitsy taorian’io. Nametraka fitoriana […]
4×4 sy taksiborosy nifandona : efa-mianaka niara-maty
Olona efatra niara-namoy ny ainy teny Ambohimangakely. Vokatry ny fifandonan’ny fiara tsy mataho-dalana sy taksiborosy, ny alin’ny 31 aogosotra teo. Fiara tsy mataho-dalana nifandona tamin’ny taksibrosy teo amin’ny PK 10+ 100, fokontany Behitsy, kaominina Ambohimangakely, afakomaly. Nandeha mafy ny fiara 4×4 iray. Tsy nahafehy ny fitaovana nentiny ny mpamily kinanjo […]
Famonoana teratany frantsay tany Toamasina: miaramila zazavao iray sy ny vadiny voarohirohy tamin’ny raharaha
Roa herinandro taorian’ny nahafaty ilay teratany frantsay tany Toamasina, izay nisy namono tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray any an-toerana. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana fa atidoha nikotrika izany ny miaramila zazavao iray. Nody ventiny ny fikarohana sy ny fanadihadiana nataon’ny polisim-pirenena tany Toamasina, raha ny fanazavana nataon’ny talem-paritry […]
Noho ny hamamoana : lehilahy iray maty voatsindrona antsy
Maty voatsindrona antsy noho ny ady vokatry ny hamamoana tao an-tanànan’Analandrano, fokontany Analasoa, kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, afakomaly, ny raim-pianakavina iray. Niafara tamin’ny vonoan’olona ny fiarahana misotrosotro teo amina andian’olona maromaro tao amin’io fokontany io. Nanomboka niakatra ny feo rehefa mamomamo, tsy nahazaka izany ny lehilahy iray ka nanindrona antsy […]